Mofonaina Sabotsy 25 Janoary 2025
Вставка
- Опубліковано 23 січ 2025
- #Mofonaina anio Sabotsy 25 Janoary 2025
#Isa 6, 1 - 8 « LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA »
Hira : Aza matahotra
FJKM.Fitandremana.Ankadimbahoaka
Manendry mpaminany Andriamanitra
1) Miseho amin'izay olona fidiany
Mpanompo miavaka toa an'i Mosesy ihany no afaka nahita an'Andriamanitra mivantana. Nolazaina fa tsy mahazaka mijery izany voninahitr' Andriamanitra izany ny olombelona ary miteraka fahafatesana ny fahitana izany. Eto anefa dia nisehoan’Andriamanitra mivantana koa i Isaia satria mpaminany miavaka notendren'Andriamanitra koa izy. Andriamanitra mihitsy no namela ny helony sy namela ny fahotany amin'izany. Ny olo antsoin' Andriamanitra amin'ny andraikitra iray dia resen'Andriamanitra lahatra amin'ny fomba maro samihafa izay tsy voatery ho toy ny tamin'ny andron'i Mosesy. Aza atao tsinontsinona izany fanambarana omen'Andriamanitra antsika izany.
2) Miantso azy hanolo-tena
Tao anatin'izany fisehoana izany no nandrenesan'Isaia ny antson'ny Tompo nanao hoe: "Iza no hirahiko, ary iza handeha ho irakay?". Tsapan'i Isaia izany andraikitra goavana sy sarotra iantsoan'Andriamanitra azy izany ka tsy nisalasala izy namaly sy nanaiky izany ka nanao hoe "Inty aho, iraho aho". Olona vonona sy manaiky izay ilan'ny Tompo azy toy izany no antsoin'Andriamanitra sy tendreny ho irany. Izay rehetra antsoina sy tendren'Andriamanitra ho amin'ny fahasoavana dia tsy maintsy manaiky Azy ary vonona handeha hitory ny Filazantsara amin'ny firenena rehetra. Izany no maneho fa olona vanona sady vonona no antsoin'ny tendren'ny Tompo hanao ny asany.