Mofonaina Alakamisy 30 Janoary 2025
Вставка
- Опубліковано 8 лют 2025
- #Mofonaina anio Alakamisy 30 Janoary 2025
#Apo 3, 14 - 22 « LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA »
Hira : Mijoro mora tazana
FJKM.Fitandremana.Ankadimbahoaka
Manara-maso sy mitaiza ny Fiangonana i Jesoa
1) Manananatra izay tsy miorina tsara
Nanana tokoa ny Fiangonana tao Laodikia raha ny haren'ny tany no jerena, ary heverina fa nandroso tamin'izany endrika ivelany izany. Nahakivy an'i Jesoa ilay voalaza ho "Amena" (and.14) eto anefa ny fiainam-panahy satria sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Tena matimaty, izany hoe sady tsy hita ho afoy no tsy hita antenaina. Mitovy amin'ny mihemotra ihany izany eo anatrehan'ny Tompo ka nampitandremany azy fa haloaky ny vavany. Izany hoe ho afoin'Andriamanitra raha tsy miova. Mila manapa-kevitra ny mpino. Rehefa misafidy ny hanompo an'Andriamanitra dia tokony hafana sy miredareda tokoa fa tsy mety ny matimaty satria mitovy amin'ny mangatsiaka ihany. Ny olona matimaty dia ho very.
2) Mampirisika azy hikatsaka ny tena harena
Nirehareha tokoa ny Fiangonana na ny mpino tamin'izany ka nilaza fa manan-karena sy efa nihary fananana be ka tsy misy zava-mahory azy ireo. Diso nefa izy ireo eo anatrehan'ny Tompo satria ny haren'ny tany dia tsy mitondra na manome antoka ny fiakarana any an-danitra na koa hoe afaka ho entina any an-danitra. Izany no mahatonga an'i Jesoa hampirisika sy hanoro hevitra azy ireo mba hividy sy hikatsaka amin'i Jesoa ny tena harena sy ny fitafiana afaka isalorana rahatrizay ka tsy hahamenatra azy ireo rehefa tonga tokoa ny fitsarana. Aoka hikatsaka mandrakariva ny haren'ny lanitra isika mba hahazoantsika antoka ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Tompo.