HO AIZA IANAO - Hanitr'i Kristy (Lyrics)
Вставка
- Опубліковано 28 лис 2024
- 🎶HO AIZA IANAO - Hanitr'i Kristy🎶 (Lyrics)
Taona maro lasa no efa nandrenesanao
Nahafantaranao fa Jeso dia miantso anao
Nefa izany hatramizay tsy mba nampiraika anao
Naleonao nanao ny tsy fanao
Androany dia miverina aminao indray
ilay feo izay fandrenao hatrizay
Na dia toa tsy sitrakao ny mandre 'zao antso izao
Dia miala nenina aminao Jeso
Ô mba saino anie raha toa izao hira izao
No ilay antso farany ho anao
Dia ho aiza no toerana mba hisy anao
Ô ho aiza ianao
Ô ho aiza ianao
Izao fiainana izay ankafizinao izao
Vetivety dia ho fongana ary koa ho lao
Koa tsy aleonao ve miaraka amin' i Jeso
Azo antoka ny hasambaranao
Misy fetrany ny famindrampony
Koa dia araraoty dieny izao
Ô mba saino anie raha toa izao hira izao
No ilay antso farany ho anao
Dia ho aiza no toerana mba hisy anao
Ô ho aiza ianao
Ô ho aiza ianao
Ô mba saino anie raha toa izao hira izao
No ilay antso farany ho anao
Dia ho aiza no toerana mba hisy anao
Ô ho aiza ianao
Ô ho aiza ianao
Ô mba saino anie raha toa izao hira izao
No ilay antso farany ho anao
Dia ho aiza no toerana mba hisy anao
Ô ho aiza ianao
Ô ho aiza ianao
Ô ho aiza ianao...
🌈
A/C : Bruno Narisoa
#LyricsbyKalo