ETO AN-DALANA - Lova Miampita Toamasina - (Lyrics)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 27 лис 2024
  • 🎼ETO AN-DALANA🎼
    Lohasaha an-dranomaso no vakiko
    maizimaizina sady mideza
    Koa tantano ry Ray 'zany diako
    efa mila hitofezafeza
    Feno tsilotsilo, be karaobato, saro-dalana
    Nefa hazavana mitsilopy no tazana
    Toa tsy hitako ny in-dray
    mandingana avy amiko
    Kivikivy sy matahotra aho mijery ny
    ho aviko
    Sandrinao no iriko hitantana ny dia
    Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao
    Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
    Lohalalako Ianao (Jesô)
    Bibidia 'zay lian-drà no indry miandry
    kihon-dalana no hiereny
    Efa vizana be ity zandry
    mitalaho Aminao ombieny
    Hery tsy mitovy no indro mifanena
    ary fantatra
    Ny nofo malemy no tsy maintsy
    ho maratra
    Tsy hisy intsony ala-olana azo hiodivirana
    raha tsy eo Ianao Jesô
    hanala izay manahirana
    Sandrinao no iriko hitantana ny dia
    Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao
    Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
    Lohalalako Ianao (Jesô)
    Kely sisa dia ho vita re ny dia
    Nefa mainka mahery ny ady
    Ka hilofika ve sanatria,
    ny manaiky ho resy dia fady
    Mila hery mihamitombo isan'andro
    avy Aminao
    Ry Jesôsy Tompo Zoky tia izay tsy mandao
    Eo no hitako azo antoka
    sy tsara indrindra izao
    Eo aho no hijoro sy handresy
    mba ho voninahitrao
    Sandrinao no iriko hitantana ny dia
    Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao
    Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
    Lohalalako Ianao (Jesô)
    😇
    ©Lova Miampita Toamasina
    #LyricsbyKalo

КОМЕНТАРІ •