VAVAKA - Hanitr'i Kristy (Lyrics)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 27 лис 2024
  • 🙏🏻VAVAKA - Groupe Hanitr'i Kristy🙏🏻 (Lyrics)
    Andriamanitra o! Ianao mahafantatra ny ao am-poko ao.
    Hainao avokoa na dia tsy misokatra ireto molotro.
    Izay faniriako fantatrao,
    Ireo sentom-poko hitanao.
    Na izay miafina indrindra dia miharihary eo Aminao.
    Raha misy zavatra tadiaviko, nefa tsy mahasoa ny ho aviko, Tompo o! Sakano tsy ho tanteraka,
    Fa ekeko izay sitrakao.
    Andriamanitra o! Faniriako lalina ny handova tany vao.
    Ny ampitsoko sy ny androm-piainako ankiniko Aminao.
    Fa ianao no mahafantatra izay hevitra iheverana ahy.
    Ny safidy raisiko rehetra
    Dia apetrako eo an -tananao.
    Raha misy zavatra tadiaviko, nefa tsy mahasoa ny ho aviko, Tompo o! Sakano tsy ho tanteraka,
    Fa ekeko izay sitrakao.
    Izay faniriako fantatrao,
    Ireo sentom-poko hitanao.
    Na izay miafina indrindra dia miharihary eo Aminao.
    Izay faniriako fantatrao, (fantatrao...)
    Ireo sentom-poko hitanao. (hitanao...)
    Na izay miafina indrindra dia miharihary eo Aminao.
    Dia miharihary eo Aminao...
    🌈
    A/C : Bruno Narisoa
    #LyricsbyKalo

КОМЕНТАРІ •