MANEMBONA---MAHALEO--1982

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • Version Originale
    A/C : Dadah
    Manembona aho re roy
    Tapa-dia toa omby nafahy
    Manembona ny hava-tsy foy
    Lasa vetso sy very fanahy
    Fa vitsika momba kitay
    Ny ranomaso no havozona
    Irery tsy misy miahy
    Singan'olona toy ny voahozona
    Toa mirahona ny alahelo
    Raha mavesatra dia mianjera
    Raha tsisy hialofana tsy misy helo
    Dia mandena mamely tsy miera
    Ny alahelo no hany sakaiza
    Ny tsiahy no hiondanana
    Te hilefa kanefa mba ho aiza
    Sara-tiana nohon'ny tsy fananana
    Tsy ho ela ny lanitra ho manga
    Hieretako izay zava-mitranga
    Ny johary efa manangasanga
    Ny toerako any tsy hijanona ho banga..

КОМЕНТАРІ •