TADIDIKO - Groupe Hir'Aina (Lyrics)
Вставка
- Опубліковано 12 лис 2024
- 🎼TADIDIKO - Groupe Hir'Aina🎼 (Lyrics)
Tadidiko ny omaly
Fony aho mbola saraka Anao.
Nandrakotr'ahy ny jaly,
Sy ny fahorian'izao tontolo izao.
Nandao avokoa 'zay mba namako,
Nanalavitr'ahy.
Ka irery aho tsy misy mpijery
Tanaty ady.
Fa teo Ianao ry Jesôsy Tompo
Tsy mba nijery izany fahalemeko.
Nampiarin'ahy, namela ahy hitoetra
Anilanao, anilanao.
Tadidiko ny omaly
Fony aho mbola rakotr'aizina.
Nandrakotr'ahy ny ota,
Sy ny faharatsian'izao tany izao.
Nandramako avokoa 'zay mba fantatro
Fa hampiadan'ahy (hampiadan'ahy)
Fa sasatr'aho (fa sasatra)
Tsy nety nahita (fa sasatra)
Izay nahafa-po.
Fa teo Ianao ry Jesôsy Tompo
Tsy mba nijery izany fahalemeko.
Nampiarin'ahy, namela ahy hitoetra
Anilanao, anilanao.
Fa teo Ianao (Fa teo Ianao)
Ry Jesôsy Tompo
Tsy mba nijery izany fahalemeko.
Nampiarin'ahy, (Nampiarin'ahy)
Namela ahy hitoetra
Anilanao, anilanao.
Ny anilanao, eo anilanao
Fa ny anilanao anie ka mamy
Ny anilanao, eo anilanao
Anilanao, anilanao.
Fa teo Ianao (Fa teo Ianao)
Ry Jesôsy Tompo
Tsy mba nijery izany fahalemeko.
Nampiarin'ahy, (Nampiarin'ahy)
Namela ahy hitoetra
Anilanao, anilanao.
Anilanao, anilanao
Anilanao, anilanao...
🌈
#LyricsbyKalo