Fivavahana mitety Doany : Nampitandrina ireo mpomba ny ara-drazana.

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 28 гру 2024
  • Nanaitra ireo ray aman-dreny ara-drazana sy mpandala ny fomba ara-drazana ny hetsika nataona mpino kristiana teny ambohimanga andro vitsy lasa izay. Voalaza ho nitety Doany fanasinana teny Ambohimanga sy nitory filazantsara ary nandroaka devoly teny amin’ireo toerana ireo ireto mpivavaka kristiana ireto. “Aoka tsy handranitra adim-pinoana fa ny adim-pinoana nisy teto faha-mpanjaka efa naharitra an-jatony taona, tsy mbola nisy mpitondra fivavahana sahy nanitsakitsaka ny hasin’ny razam-panjakana tety an-toerana hatramin’ny fahazazanay. Aoka tsy atao fitaovana politika entina hanakorontanana saim-bahoaka amin’izao taom-pifidianana izao ny fivavahana” hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’I madagasikara ao amin’ny tranoben’Imerina Ambohimanga Rova Randrianantoandro Robert Andriamahary.
    Nampiaka-peo ihany koa ny filoha mpitantana ny ANTM (fikambanan’ny Mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara) sy ny Manda Aron’ny maha-Gasy, Andriandrainarivo Rasamivelona Josephin, fa fanitsakitsahana ny lalampanorenana sy ny zon’olombelona mpitàna ny fomban-drazana ara-pinoana sy ara-pitsaboana ny tranga toy ireny. Notsipihiny mazava tsara fa manana zo hiaina an-kahalalahana sy am-pilaminana ny finoana ara-drazana araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Efa nisy rahateo fangatahan-dalana hampiasa ireo toerana manan-kasina mifanaraka amin’ny lalàna n°62-117 tamin’ny 01/10/1962 sy ny didim-panjakana n°62-666 ny 17/12/1962 ka manana zo hiaro sy hisitraka ny vakoka sy haren-tsaina tsy mivaingana eto Madagasikara. Fanitsakitsahana ny zo fototra ara-pinoana sy ara-kasina no handikany ity hetsika notanterahin’ny toby Fifohazana teny amin’ny doanin’Ambatondradama sy Mangabe ary Ankazomalaza ity.
    Niantso ireo ray aman-dreny ara-drazana tsy hiraviravy Tanana manoloana ny fanimbazimbana sy fandikana fady ary hanohitra ny herisetra ara-pinoana kosa ny Ampanjakan’I Vakinankaratra Ralaitsizafy Andrianamelavahoaka Angelina. Nampatsiahiviny fa manana safidy ny hiantefan’ny finoany ny vahoaka manerana ny nosy ary tokony samy hanaja ny finoany sy ny an’ny hafa. Mila hajaina ny hasin’ny tany sy ny vakoka ary ny kolontsaina maha-Gasy, ombàn’ireo fahendrena sy soatohavina mandrafitra azy.
    Samy niantso ny fahefana mahefa handray ny andraikitra tandrify ireo ray aman-dreny ara-drazana naneho hevitra mba tsy hiverenan’ireo tranga izay misy namoizana aina toy ny tany Mananjary taona vitsy izay. Samy miantso ihany koa hanatsaharana ny fanimbazimbana ny toerana manan-kasina rehetra ho an’ny mpino manerana ny nosy. Marihina fa efa namoaka fanambaràna miantso ho amin’ny filaminana sy nampatsiahy ny voalazan’ny lalampanorenana ny amin’ny maha-laïka ny fitondram-panjakana ny ministeran’ny serasera ny ny kolontsaina ny voalohan’ny herinandro teo.
    Herizo Randrianjafy

КОМЕНТАРІ •