MBOLA HISY (Ny Nanahary)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • Hisy embona hahatsiarovanao mazàna
    Hisy nenina ao am-po hampihanahana
    Hisy tsiky, hisy latsa, hisy hamadika ny rasa,
    Dia mbola hisy hanantena ny tsy misy.
    Hisy voady rehefa tofoka sy fay
    Hisy zaza hitaky ny anaran-dray
    Hisy teny maharary, hisy teny teny mamy
    Dia mbola hisy ny hanantena ny tsy misy
    Aza variana miondri-dava maminany
    Efao ny anjara andraikitrao dia mitsikia
    Satria tsy maintsy mbola hisy ny hanantena ny tsy misy
    Ary hisy hampanantena nefa indrisy
    Raha mbola misy hazavana
    Hisy hatsiaka hafanana
    Hisy ho faty nanantena nefa indrisy
    Hisy mpianatra hiezaka hilofo
    Hisy kibo tsy mba hanana solofo
    Hisy ihany firenena hogejaina, hoterena
    Dia mbola hisy ny hanantena ny tsy misy.
    Hisy hamadika ny teny izay nomena
    Hisy oroka hifono hafetsena
    Hisy ratra tsy hitony, hisy felana hamony
    Dia mbola hisy ny hanantena ny tsy misy.
    Aza variana miondri-dava maminany
    Efao ny anjara andraikitrao dia mitsikia
    Satria tsy maintsy mbola hisy ny hanantena ny tsy misy
    Ary hisy hampanantena nefa indrisy
    Raha mbola misy hazavana
    Hisy hatsiaka hafanana
    Hisy ho faty nanantena nefa indrisy
    Izaho tsy maintsy manantena raha mbola misy

КОМЕНТАРІ •