TELOFANGADY - Gasikara 1

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • Efa ho folo taona no nandaozako anao re ry taniko
    Taona maro tsy nijereko tsy niheverako afa-tsy ny amiko
    Ka mirongatra tao anaty ny alahelo
    Ka mila tsy ho tantiko
    GASIKARA malala tany tsy manam-paharoa
    Tsy azo eritreretina ny lanjan’ny hery ao anatinao
    Tany mamy tsy mety hadino sy tsy foy na dia lavitra aza ianao
    Ilay Ray izay ao ambony be fitia no hitsinjo ny lalanao
    Hampiray sy hampitambatra antsika izy
    GASIKARA O ! GASIKARAKO
    Tany nihaviako ianao ka tsy maintsy tiaviko
    Na lavitra aza anefa ny elanelan’ny any sy ny aty
    Antenaiko fa mbola hihaona ihany isika e !
    Ianao dia tany tiako
    Tena tiako ka tsy hatakaloko
    Harenako sarobidy ary ahitako ireo havako
    Ianao no nipoirako ary hilevenako ihany koa
    GASIKARA malala tany tsy manampaharoa
    Tsy azo eritreretina....
    GASIKARA O !....

КОМЕНТАРІ •