Kaominina Ampitatafika : Nanitatra efitrano fianarana hanatsarana ny fanabeazana.
Вставка
- Опубліковано 25 жов 2021
- Nisitraka fotodrafitrasa fanitarana ny sekoly EPP roa avy ao amin’ny fokontany Ankaditany sy Ambodiafontsy anatin’ny kaominina Ampitatafika. Ho famahana ny olan’ny mpianatra , noho ny hamaroan’ny mponina anatin’ireo fokontany roa ireo no anton’ny fanitarana. Tsy ampy handraisana ireo ankizy izay efa manodidina ny 600 ny efitrano fianarana ka voatery tsy maitsy zaraina roa ny fotoam-pianarana, miteraka olana izany indrindra rehefa fotoam-pahavaratra ka tsy maintsy novahana, hoy Rado Ramparaoelina ben’ny tananan’Ampitatafika . Efitrano dimy sy toeram-pivoahana, nandaniana manodidina ny 134 tapitrisa ariary no voatsangana , 14 isanjaton’izany no fandraisana anjaran’ny kaominina , raha ny fanazavana, Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny MDF (Madagascar Developement Found) ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra no nahafahana namita izany. Hanohy ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny MDF ny fanorenana ny EPP Ambohibary , izay haorina hatrany ifotony hoy ny Ben’ny tananan’Ampitatafika.