Pasteur Jocelyn RANJARISON - Nandao anao ela aho, Raiko ô

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • 1 Nandao anao ela aho, Raiko ô,
    'Zao dia te hody aho
    Maniry hiankina an-tratranao
    'Zao dia te hody aho.
    'Ty tamy aho, Raiko malala ô,
    Raiso ny tanako!
    'Ty tamy aho, Raiko malala ô,
    Raiso ny tanako!
    2 Maniry hanana fiadanam-po
    'Zao dia te hody aho
    Sy mba hivesatra ny zioganao
    'Zao dia te hody aho.
    3 Itambesaran'ny ota natao,
    'Zao dia te hody aho
    Matoky anefa fa horaisinao
    'Zao dia te hody aho.
    4 Raha tsy mendrika ny ho zanakao,
    'Zao dia te hody aho
    Ataovy ho isan'ny mpanomponao
    'Zao dia te hody aho.
    5 Indro fa tazako ny sandrinao,
    'Zao dia te hody aho
    Mitsotra mba hisakambina re
    'Zao dia te hody aho.

КОМЕНТАРІ • 1

  • @ProgrammeEaurizon2025
    @ProgrammeEaurizon2025 18 днів тому

    Mijery ny fahalehibiazan'i Pasteur aho dia miaiky ny fitondran'Andriamanitra sy ny fitahirizany ny olony, mialehibe ara-batana, mialehibe ara-panahy... Mankahery amin'ny asa fitoriana hatrany Pasteur sy ny fitaizanao anay ao anatin'ny hira sy ny vavaka. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany 🙏🙏🙏