Karaoke MANEMBONA - MAHALEO
Вставка
- Опубліковано 9 лют 2025
- MANEMBONA
#karaokegasy #gasykaraoke #hiramalagasy
Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics
Manembona aho re roy
Tapa-dia
toa omby nafahy
Manembona
ny hava-tsy foy
Lasa vetso
sy very fanahy
Fa vitsika momba kitay
Ny ranomaso
no havozona
Irery tsy misy miahy
Singan’olona
toy ny voahozona
Toy ny rahona ny alahelo
Raha mavesatra dia mianjera
Raha tsy misy hialofana tsy misy elo
dia mandena mamely tsy miera
Ny alahelo no hany sakaiza
Ny tsiahy no hiondanana
Te hilefa kanefa mba ho aiza
Sara-tiana noho ny tsy fananana
Tsy ho ela ny lanitra ho manga
Hiaretako izay zava-mitranga
Ny johary efa manangasanga
Ny toerako any tsy hijanona ho banga
DADAH & FAFAH
MAHALEO