Mba Voizo - iKatro (Raki-tsary)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 25 гру 2024
  • "Mba Voizo" - iKatro
    Ny lakantsika eto anivon-drano fitana manonja
    Tsy afa-mihavia tsy afaka mihavanana na hiemotra intsony
    Indro eny ampita ny tanam-bokovoko diamondra
    Izay famantarana fiantsonana alehan'ito dia
    Ao dada, ao neny, ao zoky, ao zandry, eto avokoa
    Samy nandao ilay toeran-dratsin'ny ota sy tsy fanao
    Ireo razantsika efa nodimandry aza nandeha nialoha
    Ho eo anatrehan'Ilay Mpahary ny tontolo sy hitsara
    Mba voizo, mba voizo ny lakana
    Hisononoka tsara ho eny
    Mba voizo, mba voizo
    Hahatrarantsika ny loka miandry rehefa avy ety
    Fanantenana no hiadanako eto isan'andro
    Sady ho santatra fifaliana rahatrizay aho ery
    Ary ny taratra manazava ny diako ho any
    Dia ny Baiboly masina manambara fiainana
    Nony niantso isika mba hisy hanohina eny ampita
    Dia indry Andriamanitra fa manainga ny tanany
    Ka na dia maizina sy mikitroka loza aza ny eto
    Iza moa izy no hotahaina amin'Ilay Nahary azy
    Mba voizo, mba voizo hanakatra
    Ny Paradisa tena Kanana
    Mba voizo, mba voizo
    Sambatra isika sakaiza tafara-dàlana iray aina
    Mba voizo, mba voizo ny lakana
    Hisononoka tsara ho eny
    Mba voizo, mba voizo
    Hahatrarantsika ny loka miandry rehefa avy ety
    © iKatro
    Hitanao ihany koa ao amin'ny Facebook : / ikatro.production
    Sy ao amin'ny SoundCloud : / ikatro_production

КОМЕНТАРІ •