Karaoke gasy MEDLEY 2 - BESSA SY LOLA

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 9 лют 2025
  • AMONTANA -
    Amontana ankiray avo be
    Izay ngeza sy midoroboka
    No fototra nipoirako
    Tahaka ny voaloboka
    Tambanin'ny alokalony
    No nitomboako miadana
    Voaaro amin'ny andro be
    Tsy voafaokan'ny rivotra.
    Ka rehefa tsy eo intsony
    Ilay hazo tena lalaiko
    Mbola ataoko ho rehareha
    Izany atao hoe dimbiny sy solofony.
    HEHY -
    Hehy no ampinga enti-miady
    Fiarovana mba tsy ho voa
    Fa hahatoha
    Ny endrikendrika
    O Hery fanafenan-tomany
    Fierena raha misy manjo
    Na ratra am-po
    Mila handrendrika
    Tsy ilaozan-tsompatra hono ny tia
    Izay be mpitia
    Maro tsy tia
    Tsy ilaozan-tsembana akory ny dia
    Eny tokoa fa tany moa
    ANGAMBA -
    Ho mamy angamba ny fahafahana
    raha toa ka ombam-pitiavana
    Raha toa ny jamba omem-pitantana
    ary ny noana vokisana
    Tsy hisy intsony ny fanavahana
    ara-poko, fivavahana
    ka ny lasa dia hofongorana
    sy hodorana mba ho may
    Ho mamy angamba ny fahafahana
    raha toa ka ombam-pitiavana
    Angamba aho faly,
    angamba aho sambatra
    raha toa izany tanteraka!
    ANTSIRABE -
    Raha vao maraina koa dia hiomana aho ho any Antsirabe
    Voalamiko avokoa ny entan-keliko hatry ny ela be
    Toy ny farimbondroa ao an-daona iray ny fandre izao
    Fidoboky ny fo faly hotsenain'ireo havako ao
    Tsy ahoako ny hatsiaka mamanala
    Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
    Dia ilay tanàna nisy ireo malala
    Dada, Neny, zoky, zandry koa
    Ary Nenibe sy Dadabe

КОМЕНТАРІ •