FIFIDIANANA 11DECEMBRE : N°2 IHANY NO VAHAOLAN'ANTEHIROKA.
Вставка
- Опубліковано 17 січ 2025
- Laharam-pahamehana ny fampianarana, hoy Zoky Mamy, laharana faharoa amin’ny bulletin unique ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Antehiroka. Tsy tokony hisalasalana ny fahatanterahan’ny programan’asany noho izy efa zatra mandray andraikitra na mbola tsy teo amin’ny toerana aza, raha ny fandresendahatr’ireo mpomba azy. Isan’ny nanampy be tamin’ny fanamboaran-dalana ny tenany ary nanavao ihany koa ireo fotodrafitrasa maro eo an-toerana, toy ny famatsiandrano. Saingy hahatanteraka ny vina dia ny fampandrosoana haingana ny kaominina dia lohalaharana indrindra ny fanabeazana.
Niavaka koa ny fakàn’i zoky Mamy ny fon’ny mpifidy amin’ny fitetezany an-tongotra sy am-bisikilety ny faritry ny tanàna hiadidiany atsy ho atsy. Tsy mba isan’ireo miaingitraingitra fa tonga hatrany anelakelantrano ary mandray avy hatrany ny hetahetan’ireo mponina. Inoana ny hahatongavan’ny maharary ny vahoaka eny an-tsofin’ny mpanatanteraka raha maro ny olona manetry tena toa azy.