IZAY MINO SY MATOKY Auteur/Compositeur: Solo Arjhon/Chœur : NY ONJA
Вставка
- Опубліковано 20 вер 2024
- 👉👉 • MOFO MADIO TSY MISY LA...
IZAY MINO SY MATOKY
Izay mino sy matoky ny fitiavany
dia miaina tsy amin-drofy
sy tena havany
fa izy no mpandresy
hitondra hery vao
miaro sy manefy
mitantana anao
Matokia ianao fa jesoa
no hany tokinao
na faly ianao na ory
dia tiany hatrizao
Mananjara ianao fa Jesoa
no hampandroso anao
ho ao an_tranon_dRay rehefa hiala ety rahatrizay
Koa meteza ianao fa Jesoa
no mpanasitrana
ny aretina aman_drofy
mahazo ny fonao
Manantona ianao fa Jesoa
no mpanome fitia
mpamafa ranomaso
mpampody izay nania taminy
Ref: ...
Mandefera ianao fa Jesoa
dia Ray mpampakatra hanandratra ho avo
ny voninahitrao
Mivonóna ianao fa Jesoa
ho avy tampoka
tsy ampoizinao akory
tsy mampiomana mialoha.
Voninahitra ho an'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina Andriamanitsika
Tena kanto mitondra fanantenana tokoa; misaotra hira vavaka katolika
Mahafinaritra mihintsy ny MIHAINO AZY. Ary ilay "VELONA HO ANAO" tsy mba avoakanareo mihintsy.
Tsara be ❤ ❤ ❤ ❤ misaotra eeee 🙏 🙏 🙏 🙏 🙏
Atsiarovako ny fahiny ra handeha hianatra aho mifoha maraina dia miaino RDB dia io hira io no mandeha, tsaroako velompanantenana aho hiatrika ny alatsinainiko hoany ampianarana!!! mankasitraka NY ONJA !!!!
Tiko be io hira io ary sambany za naita azy tato fa mankasitraka ny mpizara sady clip sy parole manarampenitra tsara, makasitraka eee!! 💋👍
Hira mitondra fankaherezana sy mampivavaka ahy hatramin' ny nahenoko azy tao amin' ny RADIO DON BOSCO ary noho ny fivoaran' ny Teknôlôjia dia mbola tafiaino azy sary sy feo indray amin' ny fotoana ilavana azy indray!!! misaotra ny mpamoaka ny ssary misaotra ny tarika NY ONJA misaotra ny RDB nahenoko azy taniamboalohany
Tsy mahasosotra kosa ah 👍sady mihira no mijery clip miaraka @ paroles
Araho hatrany ary ny pejintsika fa mbola ho maro ireo hira ankafizinao any ampiangonana mandritra ny Lamesa e!
D'accord 👍