Tahin'i Jehovah Ranabavy. Ny Bokin'ny Apokalipsy 11:19 no manambara marina mikasika an'io. Any andanitra io Fiaran'ny Fanekena io fa tsy ety antany intsony. Tokony nahita an'izany tany andanitra ranabavy raha ny marina. Hamindra fo aminao ny Tompo. Ny mikasika ilay hoe tafajanona teto Madagasikara ilay fiara dia izao no azo ambara. Mety fiaran'ny fanekena hafa ilay eto hitan'i ranabavy satria ny Mpanjakan'ny Israely Solomona rehefa nandova an'i Davida Rainy no nanangana ny Tempolin'i Jerosalema voalohany mba hametrahana an'io Fitaovana masina io araka ny voasoratra ao anaty Baiboly (Testamenta Taloha) - I Mpanjaka 6:19 mivaky toy izao amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy Tompo : "Ny hametrahana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no nanamboarany ny fitoerana masina, tao anatin'ny trano, tarý anatiny indrindra." Mino aho, fa samy hamerina hijery sy hianatra tsara ny soratra masina isika rehetra sao manambara zavatra mety hifanohitra amin'ny Sitrapon'Andriamanitra Masina Indrindra sy ny Filazantsara nampitondrainy ny Zanany Lahitokana dia Ilay Mesia. Farany mikasika amin'ny hoe fivahinianana tany andanitra dia izao no azo ambara. Misy tokoa ny atao hoe Expérience des morts imminentes (EMI) na ny Near Death Experience (NDE) ary efa misy ny fikarohana ara-tsiantifika mikasika azy io. Tsy hiditra ny amin'izay aho. Efa amanetsiny ny olona mizara ny fomba niainany an'izany manera-tany ary ry zareo amerikana avokoa no saika mijoro vavolombelona ny am'izany. Mila mitandrina kosa anefa ny olona milaza fa efa nahita tontolo hafa satria tsy azo inoana avy hatrany hoe Jesosy Kristy izay rehetra mitafy famirapiratana. Jereo ny 2 Korintiana 11:14 araka ny nambaran'ny Apostoly Paoly manao hoe " Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." Tsoa-kevitra: aoka re hatahotra ny fahamasinan'ny Tenin'Andriamanitra ny olona rehetra, mba hamindra fo amintsika ihany Jehovah.
Misaotra betsaka ho anao aho fa tena fa be ny foko t@ fila zanako ny teny marina de bonne continuation Soeur et bon courage merci
Tena marina mints zany soeur a Jehovah anie hitahy anao mandrakizay,,,,Allelouia
Andreas apotre aiza ny ahafahanao manaporofo fa marina izany e? toa tantara foronina fotsiny.
Andreas apotre marina ve io
Tahin'i Jehovah Ranabavy. Ny Bokin'ny Apokalipsy 11:19 no manambara marina mikasika an'io. Any andanitra io Fiaran'ny Fanekena io fa tsy ety antany intsony. Tokony nahita an'izany tany andanitra ranabavy raha ny marina. Hamindra fo aminao ny Tompo. Ny mikasika ilay hoe tafajanona teto Madagasikara ilay fiara dia izao no azo ambara. Mety fiaran'ny fanekena hafa ilay eto hitan'i ranabavy satria ny Mpanjakan'ny Israely Solomona rehefa nandova an'i Davida Rainy no nanangana ny Tempolin'i Jerosalema voalohany mba hametrahana an'io Fitaovana masina io araka ny voasoratra ao anaty Baiboly (Testamenta Taloha) - I Mpanjaka 6:19 mivaky toy izao amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy Tompo : "Ny hametrahana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no nanamboarany ny fitoerana masina, tao anatin'ny trano, tarý anatiny indrindra."
Mino aho, fa samy hamerina hijery sy hianatra tsara ny soratra masina isika rehetra sao manambara zavatra mety hifanohitra amin'ny Sitrapon'Andriamanitra Masina Indrindra sy ny Filazantsara nampitondrainy ny Zanany Lahitokana dia Ilay Mesia.
Farany mikasika amin'ny hoe fivahinianana tany andanitra dia izao no azo ambara.
Misy tokoa ny atao hoe Expérience des morts imminentes (EMI) na ny Near Death Experience (NDE) ary efa misy ny fikarohana ara-tsiantifika mikasika azy io. Tsy hiditra ny amin'izay aho. Efa amanetsiny ny olona mizara ny fomba niainany an'izany manera-tany ary ry zareo amerikana avokoa no saika mijoro vavolombelona ny am'izany.
Mila mitandrina kosa anefa ny olona milaza fa efa nahita tontolo hafa satria tsy azo inoana avy hatrany hoe Jesosy Kristy izay rehetra mitafy famirapiratana. Jereo ny 2 Korintiana 11:14 araka ny nambaran'ny Apostoly Paoly manao hoe " Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava."
Tsoa-kevitra: aoka re hatahotra ny fahamasinan'ny Tenin'Andriamanitra ny olona rehetra, mba hamindra fo amintsika ihany Jehovah.
ramato.mitapy