Foko antemoro Ampanabàka : Nanandratra ny Ampanjakan'Ambahive

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 2 січ 2025
  • Nofinidin’ireo zoky anatin’ny Zanak’Antefisaka ambany hitondra an’Ambahive , ny Ampanjaka Iaban’Imagnampitsara taranak’I Randrafisaky. Nasandratra ny faran’ny herinandro teo ity Ampanjaka ity ary hiasa mandritra ny dimy taona , araka ny lalàna ifampifehezan’ny vahoaka Antefisaka. Aorian’izay dia mifidy indray ireo zokiny aman-drainy ho an’ny hisolo azy; lalàna izay iavahan’ny foko Antefisaka amin’ireo fokom-pianakaviana hafa mandrafitra ny Antemoro ho amin’ny fitondràna ifandovàna.
    Avy ao amin’ny Ampanabàka no niaingan’ny fanjakana sy fianahan’ny foko Antemoro; na misy foko maro aza mirafitra anatin’ny “Antemoro”, ny tetiharany dia miainga hatrany amin’ny Ampanabàka ihany, hoy ny filohan’ny FIZAFIA (Fiombonamben’ny Zanak’Ampanabàka Fitovinany eto Antananarivo) Botomahasendry. Ny Ampanjaka Ratsitakonarivo no zokiny indrindra amin’ny fanjakana Antemoro Ampanabàka, avy aminy no nanomezana ny fanjakana masiry amin’ny Fandrana entin’ny Ampanjaka Rakotobenarivo. Anatin’ny fanjakana Nameha Masiry amin’ny Fandrana rantsana Rakotobenarivo ity nanadratana Ampanjaka ity, mitovy amin’ny lanonana natao tany Ampasimanjeva Faraony ny volana oktobra lasa teo, araka ny fanazavana ihany.
    Lalàna nivoatra nifanaraka amin’ny fitomboan’ny taranaka ny fifandimbiasam-pahefana amin’ireo rantsana Ampanjaka Masiry amin’ny Fandrana sy Fandalava fa tsy ifandovàna toy ny avy amin’ny fototra, hoy ny filohan’ny FIZAFIA. Efa nipetraka nanaraka izany ireo tao Ampasimanjeva, mitovy amin’ity tao Ambahive ity ary mbola ho arahin’ireo rantsana hafa mifanaraka amin’ireo fototra ireo.
    Nanome voninahitra ny lanonana sy nanolotra hasina tany an-toerana ihany koa ireo solontenam-panjakana avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ny mpanolon-tsaina ny governoran’ny faritra Vatovavy Fitovinany, ho fametrahan-danja ny fanjakana ara-drazana any an-toerana.

КОМЕНТАРІ •