AVIA MANDROSOA - Dama

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • AVIA MANDROSOA
    Ny ranomasina sy ny lanitra
    Samy manga madio sy mahafinaritra
    Manofahofa tànana
    Ireo voanio maitso màvana
    Ny rivotra madio
    Mihira fa andro tsara anio
    Avia mandrosoa
    Ahirato ny masonao
    Gasikara tany soa
    Ry Malagasy
    Mivonona ianao
    Hiaraka hanangana
    Trano be iombonana
    Fahalalàna no hajoro
    Fahendrena no vato fehizoro
    Manofahofa tànana
    Ny eto an-tànana
    Faly sy ravoravo
    Fa tafaray ny Malagasy maro
    Avia mandrosoa
    Miantso anao ny taninao
    Ity Nosy lehibe tokoa
    Ry Malagasy vohay ny fonao
    Hifandray tànana
    TIA TANINDRAZANA
    Ny fitantànana madio
    Io no dina ifanekena anio
    (Mozika)
    Avia mandrosoa
    Miantso anao ny taninao
    Ity Nosy lehibe tokoa
    Ry Malagasy vohay ny fonao
    Hifandray tànana
    TIA TANINDRAZANA
    Ny fitantànana madio
    Io no dina ifanekena anio
    Rasolofondraosolo Zafimahaleo (Dama)

КОМЕНТАРІ • 6

  • @herizoharifidy9049
    @herizoharifidy9049 Рік тому

    Misaotra DAMA tamin'ny fampahatsiahivana. Mirary fahombiazana amin'ny fahavononana sy fitiavana ny ambompom-pirenena. Misaotra

  • @nomenavahatriniaina3497
    @nomenavahatriniaina3497 Рік тому

    Ry Malagasy izay resy lahatra fa mendrika ny tsara indrindra ny Malagasy, ndao hiray hina, hiara-asa, hifidy ny Fahamarinana. Alefa FTT !

  • @Ambinintsoa501
    @Ambinintsoa501 11 місяців тому

    Tsara le tononkira

  • @woiranar.-o.9459
    @woiranar.-o.9459 11 місяців тому

    Tsara kosa ko

  • @SarobidyAndriatseheno
    @SarobidyAndriatseheno Рік тому

    Mahafinaritra eh..

  • @1hasina
    @1hasina Рік тому

    Mankasitraka é