Mofonaina Zoma 10 Janoary 2025
Вставка
- Опубліковано 24 січ 2025
- #Mofonaina anio Zoma 10 Janoary 2025
#Deo 10, 12 - 19 « LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA »
Hira : Haleloia, Miderà an'Andriamanitra
FJKM.Fitandremana.Ankadimbahoaka
Inona no takian'ny Tompo mba hitahiany antsika ?
Tsy hafa noho izay notakian'Andriamanitra tamin'ny Zanak' Israely ny zavatra takiana amintsika Kristiana ankehitriny:
1) Ny hatahotra Azy:
Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra satria Andriamanitra lehibe sy mahery Izy, ananany fahefana izao tontolo izao. Izy no Tompon'ny tantara; tsy mba mivadika amin'ny fanekeny Izy. Ny hoe matahotra Azy dia midika fanajana Azy, na amin'ny fanompoam-pivavahana izay atao, na amin'ny fankatoavana ny didiny sy ny sori-dàlana rehetra apetrany mba harahina. Azo oharina amin'ny fifandraisana misy amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka no tokony ho fifandraisan'ny olona amin' Andriamanitra: ny zanaka dia tsy manao izay hampalahelo ny ray aman-dreny ka manaja sy matahotra azy, ary ny ray aman-dreny kosa dia azo itokiana fa tsy hikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny zanany.
2) Ny ho tia Azy:
Ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra dia tsy afa-misaraka amin'ny fitiavana, Ny fitiavana an'Andriamanitra dia midika fanoloran-tena feno ho Azy; fitiavana ateraky ny fahatsapana ny fitiavany antsika, ka nanomezany an'i Jesoa Kristy ho famonjena izao tontolo izao, Raha tia an'Andriamanitra tokoa isika dia hahay mitia ny hafa; tsy ho tia kolikoly; tsy hizaha tavan'olona; manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena, miantra sy miaro ireo izay tsy misy mpiahy; miantra sy mikarakara ny vahiny, tahaka izay niantran'Andriamanitra ny Zanak'israely tany Egypta.