Tanjona Randrianarivelo - Ho andefimandriko

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • Tara-pahazavana,
    tsy haiko rarana ilay fisianao avy lavitra miadam-pamindra fa sarobidy ho ahy,
    Toa manome hafanana, toa tononkalo voakaly sy tsara rindra, tsy foiko afindra ilay fitiavako anao,
    Mandoro ato anatiko, ka hila tsy ho tantiko,
    Ilay fitiavako anao 'zay ao anatiko tiako ho ren'izao tontolo izao,
    Ho andefimandriko, mandritra ny androko,
    Ianao tsy ho atakalo ianao ilay tsy fanary, fa tena babonao aho.
    Na ora vitsy monja aza no hiarahako aminao, ho araraotiko satria ny fitiavanao tsy mba roa aman-tany,
    Mety hisy ny loza, fa tsy ataoko ahasakana satria mamy loatra ny fitia sy ny hafaliana izay asehonap ahy

КОМЕНТАРІ • 6