Karaoke AMPIANARO - POOPY
Вставка
- Опубліковано 9 лют 2025
- AMPIANARO
#karaokegasy #gasykaraoke #hiramalagasy
Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics
Ampianaro aho Tompo mba
Ho haiko ny mitondra ilay
Fitiavana ato am-poko mba
Ho ravaka diamondra
Toroy aho ry Raiko
Ilay fitiavana tanatiko
Tsy ahavery ahy
Fa atolotro ho fanatitro
Omeo ahy ny fandeferana
Handreseko ny ambom-po
Toroy ny faharetana aho
Hiandrandrako valisoa
Omeo ahy ny fahendrena
Sy ny fiarovan-tena
Ho mendrika tokoa re
Ny fitiavanao
Toroy aho hahay hitia
Ampio mba ho mendrika
Tahio aho aharitra ho doria
F’aza avelanao ho rendrika
Ny fitia avy aminao
Fa faniriana ihany ny ahy
Apetrako eo an-tananao
Ny foko mino tsy manahy
Omeo ahy ny fandeferana
Handreseko ny ambom-po
Toroy ny faharetana aho
Hiandrandrako valisoa
Omeo ahy ny fahendrena
Sy ny fiarovan-tena
Ho mendrika tokoa re
Ny fitiavanao
Ampianaro aho Tompo mba
Ho haiko ny mitondra ilay
Fitiavana ato am-poko mba
Ho ravaka diamondra
Ny fitia avy aminao
Fa faniriana ihany ny ahy
Apetrako eo an-tananao
Ny foko mino tsy manahy
MOZIKA
Ampianaro aho Tompo mba
Ho haiko ny mitondra ilay
Fitiavana ato am-poko mba
Ho ravaka diamondra
POOPY