Ny fitiavanao ry Tompo (Amboaram peo Fiderana Ambatomanga AFA)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 11 січ 2025

КОМЕНТАРІ • 34

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 Рік тому +2

    Je t'aime ma grande Cassandra
    Tu es la meilleure et tu
    comptes énormément pour moi
    Vive Ny Ambatomanga
    Grosses bises

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 Рік тому +2

    NY FANITSIANA
    01/05/23
    Zo ny fitenenana Raolombelona
    Araraotina dieny mbola velona
    Asan'ny Tompo: Ny rano velona
    Tsisy karama fa mamelona
    Ny Tompo raha vao nanao veloma FFPM 180
    Sa gaga anao aho Raolombelona***
    Ny Viavy ivelan'ny fitondrana ny dia miroso
    Isika Vehivavy rehetra mandroso
    Herin-tsaina, herimpo no hilofoso
    Mahay mitana ny tokantrano tsy hijotso
    Vokiso tsara ny lehilahy mba tsy hikororoso
    Manja foana, fa ny taona no hiroso
    Madio toy ny rano, tsy ny rano Anoso*
    Tsy mila rongony na mangaro- paosy
    Ny Fahamarinana no tarigetra tena Soa
    Ny marina tsy maty, Eny Tompoko
    Misaotra antsika, Samy mifankahery
    Aza hadino ny mifampijery, mampiely
    Mba hianatra hitsiky sy hijery
    Ny soratanan'ny tsy manirery
    Ny marina Zalahy tsy mba irery
    Ô,! Ry Jesosy mpamonjy mahery FFPM 597
    Zanahary Ray Mahery FFPM 620
    He tazako ny lalantery FFPM 669
    Ry Olombery tsy ho very FFPM 384
    He Dera, Laza, Hery FFPM 780
    Mivavaka foana anie izahay
    Ry Malagasy ho an'ny Tanindrazanay
    Mba hahiratra ny maso amin'izay
    Tsy hiverindalana mandrakizay
    Efa misy vonona hitarika anay
    N'inon'inona hitranga Jeso, Anao Izahay
    Mba tantanonao ry Ray
    Efa marobe no anisan'ny voaray
    Izay mivadika avelao hiolomay
    Hifatratra any Ankady indray
    Misy milaza fa 2023 Fanarenana
    Sangisangy ve sa fahalemena
    Ilay hanimpitoloha nojerena
    Tamin'ny UA-cam Mahajambena
    Niraradraraka ny fitafy, kiraro volamena
    Izany ve no fampiasana ny volam-pirenena
    Izao vao hoe: fay hita ny firenena
    Aiza ny Ambim-bava, izahay manantena
    Sa andraso eo I Paoly, Andrororosy efa jambena
    Aza mitsoaka ady, avereno aloha ny vola hojerena
    Misy tsy rariny, mandany volan'ny Gasy
    NY anaram-bositra Parasy
    Solombavambahoaka ry gasy monina any tany gasy
    Ny lalàna anie mora: ambaratonga 4,3 kilasy
    Sa natokana ho an'ny mahantra basy kilasy?
    Tongava saina, Kianja Barea anareo ry Malagasy
    An'iza ny Tombombarotra? moa ve Orinasa Malagasy?
    Ny tobi-pahasalamana mameno ny tany gasy
    Iza no tsaboina ao? Sa ry angovo hilasy
    Miombom-bavaka izahay sy ny basy kilasy
    Adidy Masina ny fifidianana
    Ny eto an-toerana hatao tsara tantana
    Ny mpila ravinahitra efa manana
    Izay mba raisin'ny tanana
    Safidy tsirairay ao ampo no mitana
    Nitroatra ny fo, dia nanao fanambarana
    Ny alahelonay izao mivoha midanadana
    Toa vao mainka mahantra ny tanàna
    Io no atao hoe fitondrana ny satana
    Aza manaiky hambakaina Ry Malagasy Ô!
    * Eo ampita ny Fitsarana
    ** Kolejy
    ***Hita Gabhy Ratsito

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    AMBATOMANGA
    Vavaka Fohy sy Manja
    Vokatry Ny Fo, Tsy mihambahamba
    Madio toy ly Lanitra Manga
    Natokako Anao Ry Ambatomanga
    Saotra sy Dera tsy hita lany
    Nampitsahatra Ny Tomany
    Nahatsiaro fa raha mbola eto an-tany
    Samy Mbola Hihaona Ihany
    Faly, Mihoby ary Miandrandra
    Ny Lanitra Ambony anie Mangamanga
    Ny Fitahiana Maria ô! Tsy misy banga
    Miadana Ny Vony Voatafy Lamba
    Ny FEFI, Ny Voamaintilany
    Dia Ilay Finoana Ihany
    No Nitamberina Hatrany
    Andriamanitra ô! "Ianao Irery Ihany"
    Ny Lohasaha, Ny Havoana an' Analamanga
    Ny Hazo Mandrakotra Ny Tanimanga
    Fialofan'ny Tsikirity sy Voromanga
    Mikoriana Ny Rano an' ala Madio Mangamanga
    Ny Rivotra Nitsoka, Niato Tamberintany
    Nitahiry Ny Tanety Any lavitra Any
    Rahoviana no Ho Lany
    Ny Ala Any Atsinanana Any?
    Ho Faranako eto angamba
    Ny Misaotra Anao Ry Ambatomanga
    Ny Vavaka Ihany N'inon'inona hitranga
    Efa Voatahiry toy Ny Vato Be Lanja

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 4 роки тому +2

    ARAHABA TRATRY NY TAONA 2021
    Amin'ny Akatoky Ny Faran'ny Taona 2020 Izao, Sy Ho Fisantarana Ny Taom-baovao 2021, dia Inty Indray Aho
    Miarahaba Anareo TRATRY NY TAONA
    Tena Ho Vaovao Tokoa Anie Ny Fiainantsika Rehetra Tsy Misy Ankanavaka Toy Ny Mahazatra, Ary Ho Lasa
    Amin'izay Anie Ny Ratsy Rehetra Nihantra Tamintsika, Na Loza Izany Na Ny Aretina Samihafa ......
    Ary Ny Soa, Fahombiazana, Fivoarana, Ny Fitahian' Andriamanitra, ny Fahamarinana Mandrakizay No Hanjaka
    Aty Amin'ny Firenentsika Ity
    Betsaka Tokoa Ny Zokiolona, Mandray Fitenenana Aho Satria Izao No Mba Anjara BIirikikely Ho Entiko
    Miala tsiny , Miala Fondro Ho An'ny Ray Aman-dreny Isany
    VAVAKA HO AN'NY TANINDRAZANA
    Tsy Manadino Ny Tanindrazana Ny Tena Na Dia Lavitra Aza, Faly Aho Tsy Nanadino Ny Hafatry Ny Loholona
    Fahiny Izay Tena Lova Mamy Tokoa
    Voalohany, Mangataka Fivavahana Manokana Ho An'ny Tanora Sy Ny Taranaky Gasikara Rehetra Tsivakivolo
    Mandohalika Eto Anatrehanao Izahay Andriamanitra, Tahio Mba Hahatontosa Ny Adidy Sy Andraikitra Miandry
    Anay Mba Ho Vanona Amin'Izay Ny Tanindrazanay Fa Efa Ela No Niandrasanao Izany Tompo O!
    Fohano Sy Sakano Ny Fanaovan-dratsy Fa Mandretry Ny Firenena
    Mangataka Mafy Aminao Koa Izahay Mba Hiala Amin' ny Hadalana Isan-karazany Fa Tsy Ny taoka Sy rongony
    Akory No Hanavotra Sy Haha tafita Ny Taranakay . Izany Vao Maika Mitarika Amin'ny Fahaverezana Sy Ny
    Fanapotehina Ny Fiainan'Izy Ireo Ary Ny Fianan'ny Olon-kafa Marobe Tsy Manan-tsiny . AMPY IZAY
    Ampy Izay Ny Fanapotehina Ny Fiainan'ny Sasany Na Ny Fiainan'ny Vahoaka Maro An'isa Koa
    Manaraka Izany Dia Mivavaka Sy Mangataka Ary Mitalaho Aminao Izahay Andriamanitra O! Mba Omeo Hery
    Sy Saina Mahiratra Ireo Mpanomponao Na NY MPITORY FILAZANTSARA Mba Hahay Sy Hampita Ny Soa Izay
    Nampianarinao Anay Ampio Izy Ireo Amin'ny Adidy Masina Miandry Azy Ireo Fa Tena Mila Faharetana Sy
    Fahaizana Marina Ny Asany
    Mba Tantano Sy Tsinjovy Mafy Ny Mpitory Filazantsara Hahatanteraka Antsakany Sy Andavany, Tsy Misy Diso
    Ny Fampianarana, Faherezana, Fahendrena, Fandresena, Fahatokisana, Fanantenana, Fiadanana, Fifaliana
    Famonjena, Indridra Ny Fahamarinana
    Tanteraka Izao Vavaka Izao Tompo Noho Ny Tsodrano Azo Tamin' i Tompokovavy Vony (Matio 6:14,15) Amen
    Farany Dia Mivavaka Ho An'ny Ho An'ny Olon-drehetra Na Eto An-toerana Na Ny Any Ivelany Mba Hahazo
    Ny Soa Sy Fahombiazana ,Homarihina Manokana Ny Ao KERE Tsinjovy Sy Tantano Izahay Eto Kere Tompo O!
    Mba Omeo Izay Hanina Hohaninay Isan'Andro, Vonjeo Izahay Andriamanitra Fa Osa Sy Ory
    Jeso Sakaizanay ,Jeso Anay
    Atolotro Anao Andriamanitra
    Raiso Amboninahitra Ny Vavaka Atotray Anio Andriamanitra O!
    Amin'ny Anaran'ny Ray, Sy Zanaka Ary Ny Fanahy Masina AMEN

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 6 років тому +2

    Bonne Année 2019 à Tous
    Tratry ny Taona Daholo, Inty Hafatra Inty no Solon' ny Horoka Mamy Be Ho Anareo Rehetra,
    Atao ahoana moa fa izao no vokatra ratsy ny elanelan-tany
    Samy Ho Tahian' Andriamanitra Daholo
    ARAHABA TRATRY NY TAONA 2019
    Noho ny Sitraponao Andriamanitra dia Mivory eto Izahay amin'izao Taom-baovao izao,
    Vavaka Sy Saotra no Hideranay Ny Anaranao Ho Fisantarana Ny Voalohan'ny Taona Izao
    Mangataka Aminao Izahay Tompo Hanavao Ny Fiainanay mba Ho Olona Mendrika tokoa
    Ho Mpanomponao isan' andro isan' ora, Omeo Fo sy Saina Madio, Feno Fahendrena,
    Mahitsy... Mba Hiadananay (Joba 17: 9 )
    Halaviro Aminay Jesosy ny faharatsiana, ny fitiavan-tena, ny tsy fahamarinana...
    Esory ao Aminay koa ny fakam-panahy rehetra isan-karazany mba tsy hiverin-dalana intsony
    Izahay.Fa Fehezo Mafy ho Zanakao satria Fantatray fa Izany No Sitrakao (Jakoba 3:13b)
    Jesosy o! Mba Tantano Ny Marary Mba Hanana Fo Feno Fanantenana,izay Anisan'ny Fanafody
    Voalohany alohan' ny Fitsaboana isan-karazany ( Efesianina 2:8 )
    Mba Tahio koa Ny Tanindrazanay Mba Ho Avotra sy Handroso soa aman-tsara Toy Ny Fanirianao
    Sy Ny Fitiavanao Azy.
    Ary Ny Vahoaka Malagasy Mba Samy Ho Tafita, Feno Fahombiazana sy Fiadanana
    RY TANY MIHAINOA MIFALIA RY SAKAIZA
    Raiso Tompo Ny Vavaka sy Haja Atolotray izao, Mba Hitondra Soa sy Fanambinana,
    ary Fiadanana Lavorary ho An' i Firenena Malagasy
    Amin' ny alalan'i Jesoa Kristy no Angatahinay Izany
    Amin' ny Anaran'i Ray sy Ny Zanaka ary Ny Fanahy Masina AMEN

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    FISAORANA
    Manao ahoana, Manakory
    Tsy Midoka Tena akory
    Ny Fahaizana Mamory
    Ny Asan'ny Mpitory
    Koa Andeha indray Hivory
    Na Rasalama na Rangory
    Ny Manana sy Ny Ory
    Ny Kaiamba Voavory
    Ny Valiha, Ny Tambory
    Hatrany anaty Hadivory
    Re Ry Raiko ô! Esory
    Na Tsiriry amonon-kamory
    Raha dIso ireo Fongory
    Tsy Voatanisa Ny Hitory
    Toy ny Tanisa Valala, Voangory
    Ny Talentan'ny Mifoha, Ny Natory
    Fisaorana Antsika Tafavory
    Na Loholona na Antsangory
    Mamiratra ny mampahory
    Kay Ny Tany Boribory
    Ka Nanala sorisory
    Ary Nahitana Tory
    Ny FINOANA Ry Mpitory
    Esoriko Ny Satrobory
    Misaotra Ny Mpitory
    Andriamanitra anie Tsy Mahaory
    Andriamanitra ô! Ny Tananao Hatsory
    Ho An'ny Rehetra, Indrindra Ny Ory

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 Рік тому +2

    Paska 10 Aprily 2023
    Andro voalohany ny herinandro
    Ny Paska miandrandra tara-masoandro
    Hatokako an' ilahay ty vaninandro
    Ry lalaiko sy voninahitro
    Tiako Ialahy, misaotra Andriamanitra ô!
    Ny mpanavotra ahy anie ho lava andro
    Mihodina ny famantaranandro
    Ndeha hody dieny mbola antoandro
    Atolotro anao Andriamanitra ô**
    N'aiza n'aiza misy an'ialahy
    N'aiza n'aiza no misy ahy
    Tsarovy fa ny ao Ambony mihay
    Tanteraka ihany ny fivavahanay
    Aza be eritreritra na be ahiahy
    Ny fitiavantsika efa voatahy
    Hatramin'izay sy ho mandrakizay
    Tiako Ialahy, horoka mahamay
    Jeso sakaizanay,Jeso anay FFPM 513
    Aza manadino ahy FFPM 617
    Somary misy hatsikana foana
    Tsy anio ihany, fa mandava-taona
    Efa Intelo izay isika tafahoana
    Nandritra ny faha enimpolo taona
    Hay ve Ialahy ry Sasapoana
    Vao tamin'ny 2022 taona
    Aho no nahay "manao ahoana"
    Izay ary ilay Finoana
    Tsinjovy ilay havoana FFPM 105
    Ialahy no hanoro ahy ny fanompoana
    Misaotra Anao izahay roa ry RAY
    Tafaray eto an-tananao indray
    Ny sitraponao no naha eto anay
    Ny sitraponao koa no tanterahinay
    Miaraka mibebaka izahay
    Esory ny ota any anatinay
    Nandao anao ela izahay Ray ô!
    N'inon'inona hitranga amin'ny fiainanay
    Ankehitriny Jereo ry ray FFPM 296
    Ry Jehovah Ray Mahery FFPM 615
    Tafaradia isika: ny Anjara
    Toy ny taranaka amam-para
    Nahazo lova tsara fiafara
    Isaorako Ny Ray Andriananahary
    Nanome ahy ny soa sy tsara
    Ny bika sy endrika tombony mahatara
    Ny AO ANATY no TSARA FIAFARA
    Haleloia! Iza no hitantara FFPM 309
    Haleloia! Jeso ô! Sakaiza tsara FFPM 790
    Haleloia! Miorena mafy tsara FFPM 295
    ,** Hira Katolika

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    NY FIANARANA
    Ho deraina am-panajana
    Ny Tanora mazoto , mitàna
    Ny Fianarana, ny fahalalana
    Mampitombo fahasalamana
    Mandresy ny asa ratsy ny satana
    Manalavitra ny fanambakana
    Ny tany anie ka malama
    Ny mibolisatra no raràna
    Ny ampy Finoana tena marina
    Mandrakariva feno fanantenana
    Ilaina ny fianarana mba tsy ho voafingana
    Arabaina ny afaka fanadinana
    Ny CEPE hatrany fara-tampon'ny dingana
    Nandray Valisoa ny fahamarinana
    Misaotra ny ray aman-dreny nisahana
    Nanampy, nanohana ny Fikirizana
    Mankahery ny tsy maintsy hamerina
    Amin'ny herintaona indray mamerina
    Tsy kivy, tsy maintsy tafarina
    Hananana Firenena hanjakany ny marina
    Vavaka ho an'ny Tanora Malagasy
    Solaitra no ilaina fa tsy basy
    Fahamarinana ihany no Vatsy
    Na ny mpianatra iray lakilasy
    Ao koa ny mivondrona hilasy
    Hanana herintsaina hamatsy
    Sy Tanjaka hampandroso ny tany gasy
    Ambatondrazaka, Miarinarivo Itasy
    Be otrikaina ny mananasy madarasy
    Ry olona mbola tamàna amin-dratsy (FFPM 397)
    Soa ny mivoatra, soa fianatra
    Ny fahamarinana no filamatra
    Tsy very izay olona mianatra
    Na iza na iza dia ho sambatra
    Ny Malagasy manontolo efa nitambatra
    Aza manaiky sarahin'ny angatra
    Miandry ny tanora ho hasandratra
    Raiso ny haja sy Voninahitra
    Mba ho an'ny Firenena mamiratra
    Matoky ny fitantanan' Andriamanitra
    Aza misy misara-bazana
    Manjary tsy zanaky ny razana
    Ny tanjona dia ny fahombiazana
    Ho an'iza? Ny Tanindrazana
    Izay no ilaina ny fanabeazana
    Ka mila hajaina sy hankatoavina
    Mirary soa sy fitahiana
    Rankizy Ry Zatovo mba hiadana
    Mitsangana, mandehana (FFPM 754)
    Ny andron'ny Fahasoavana (FFPM 55)
    Tsy fandriampahalemana eran-tany
    Mahonena sy mampitomany
    Inona loatra re ny anton'izany?
    Ny ady lava tsy mety lany
    Ve? sa ny tsy fisian'ny ao anaty vilany?
    Sa ny fiakaran'ny vidin'ny solitany?
    Ary ahoana ilay ao amin'ny atitany?
    Sa ve? (FFPM 667) Zavatra iray ihany
    Ny Malagasy Iray Tokotany
    Aza mifamono fa efa voatambatr'ilay Nahary

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    NY ANY AMINAY
    Milay dia Milay Ny any Aminay
    Ny Pôlety Lasa Pôety
    Ny Katiramia Manoro Ny Dihy
    Ny Jomakabe Toa Manabe
    Ny Lahatra No Fitaratra
    Ny Mpampiely Lasa Modely
    Ny Marenina Nanjary Voarenina
    Ny Jamba Dia Nivandravandra
    Ny Sovenira Nivadika Hira
    Ny tsy manan-kavana Indrisy nitavana
    NY VAHOAKA NIVARINA, TSY MAINTSY TAFARINA
    Vive Ny Repoblika, Vive I Madagasikara
    Aza zimbazimbaina Ny Marina
    Handao Hivavaka Mba Ho Tafarina
    Misaotra Ny Antsika Isika
    Misaotra An' Andriamanitra Isika
    Ho Ela Velona Daholo Anie Isika
    Izany Dia Izany Ny Any Aminay
    Tsy Ho Hadinonay Mandrakizay ./.

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 5 років тому +2

    ARAHABA TRATRY NY TAONA 2020
    Faly Miarahaba Ho Anareo Indray Ny Tenako amin' izao Fanaovam- beloma Ny Taona 2019 sy Ny Fanatrehana
    Ny Taona Vaovao 2020 Izao.
    Hitondra Fahasoavana, Fahombiazana Ho Antsika, Ary Ho An'Ny Vahoaka Malagasy Rehetra Tsivakivolo anie izao Taona Vaovao Feno Fahendrena, Fitiavana, Fiovana......
    Hiondrika Hivavaka Isika
    Misaotra Anao Izahay Andriamanitra amin'izao Fihaonanay Ho Fisantarana Ny Taona Vaovao 2020 Izao
    Enga Anie ka Ho Lasa Daholo ny ratsy rehetra nangidy sy mafy nentinay. Kanefa Noho Ny Faherezana Avy Taminao Andriamanitra ô Dia Mifikitra Mihazona Ny Tananao Izahay
    Mino Sy Manantena Ny Fitantananao Izahay Andriamanitra Satria Ny Teninao Marina koa Mba:
    --- Hampanjakao Eto Amin' Ity Firenenay Ny Fahendrena Sy Fahamarinana
    ---Mba Tsinjovy Ireto Mpanomponao Izay Tsy Mitsahatra Ny MIVAVAKA, Mitalaho hiala sy hanary ny fomba ratsy rehetra Ary Hiatrika Amin'izay Ny Tena Fiainana Vaovao Feno Fahasambarana, Fahombiazana, Fitiavana, Fihavanana Ary Fiadanana...Manomboka Anio Ary Ho Mandrakizay
    ---Hampaherezo Izahay mba tsy ho mora kivy; indrindra Ho An' Ny Tsy Salama Sy Ny Zokiolona Samihafa
    ---Ary Mangataka Fitahiana Mba Ho Tafita Soa Aman-tsara Ireo Taranaka Sy Ndimbinay Marobe Izay Samy
    Zanakao Daholo Andriamanitra ô!
    ---Aza avela hijaly Ny Vahoaka izay mila ho sempotra noho ny fitadiavanasy ny hafa rehetra manahirana
    ---Zanahary o Tahio Ny Tanindrazanay , Izay Lova Navelanao Ho Anay
    Dera, Laza Ry Mpanjaka
    Ny Teninao Tompo ô! Mamiko Sy (teniko) Teliko
    Ny Lalanao Lalako, No Hizorako
    Romana 12/ 12 Mifalia Amin'ny Fanantenana
    Miareta Amin'ny Fahoriana
    Mahareta Amin'ny Fivavahana
    Henoy Ny Vavakay Tompo ô
    Amin'ny Anaran' i Ray Sy Ny Zanaka ary Ny Fanahy Masina AMEN

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Zoma 13 May 2022: 50 taona
    Somary sadaikatra Ihany ny tena
    Mandray fitenenana, mahonena
    Satria marobe Ireo Zoky ekena
    Hitantara ny zava-misy tao Nosy mena
    Tsisy very tadidy, Miorena
    Lahatsoratra hany sisa no omena
    Ireo Maritiora lavo ho an'ny firenena
    Ny vahoaka nitolona nanao fanekena
    Niampitan-dranomasina Hono ny Zanaky ny mpanan-karena
    Ry Malagasy tsy nahita intsony izay nojerena
    Fankalazana ny faha 50 taona
    Ny 13 May 1972: Nisaona
    Mbola ankizy tamin'izany fotoana
    Niezaka ihany ny hanao ny moana
    Toa mba misy ambara foana
    Inona moa no tsaroana? rehefa sivy taona
    Nijery mpihira teny Ankatso maimaimpoana
    Sobika feno rakitra, feno vôla
    Ny vahoaka marobe nilahatra, nidoladola
    Ny ampitso rafiainana moramora mandra-pihaona
    Niainga tamin'ny izay ny rediredy nahaliana
    Izahay no andiany voalohany ry Tina
    Anisan'ny tratran'ny fanagasiana
    Izao teny tsy fantatra sisa vakiana
    Tanteraka Ity ilay ohabolan' Andriana
    Mahazo TENY GASY tsara ry variana
    Hanandratra Ny Firenena no fanirina
    Ny Malagasy rehetra no tahiana
    Ny trosa, kolikoly... Ariana
    Aiza ny fahaizana? sa mila fanampiana
    Ndeha hiara hivavaka daholo
    Manerana Ny Madagasikara manontolo
    Hatrany Ambany ka hatrany ambony
    Tsy azo avela ho bonbongolo
    Feno faharatsiana sy fahalotoana
    Ny Nosy maro zava-boahary...ny lolo
    Aza maniry fananan' olo
    Aza miady ny anjaran' olo
    Andriamanitra no Aloha
    Aza malahelo ( FFPM 567 )

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    ARAHABA TOMPOKO
    Ela tokoa no tsy nifankahita
    Ndao Hitafa, Hidinika ISIKA
    Ny Ambanivohitra na Any Matsiatra
    Ny Avaratra, Atsimo...An-tapitrisa
    Ny Vinanton'i Sambilo,na Zandrin'i Balita
    Ny Mpiandry Tanàna, Ny Ery Ampita
    Hifampitantara amin'izay tsy hita
    Iza Indray NY ANDRIAMBAVILANINTSIKA
    Na Orana mikija, na Andro mangatsiaka
    Ny Hafanana be, Ny Masoandro Mibaliaka
    indreny Ny Mpanovo Rano, Ny Mpanjaitra Tonika
    Ny Mpivarotra Koba Ny Mpandrary Sobika
    Ry Mpampianatra Ö! Ry Mpamorona Sita
    Ny Alahady kosa Andro Fivavahantsika
    Dia Mavitrika Avokoa Te Hahavita
    Ny Adidy sy Andraikitra tsy hita Isa
    Taolantrondron'ny Saka, sakafon' aliaka
    Mikiky Ny Vilany, Mampiditra Gisa
    Mamboly Ny sôsety ary Tsiasisa
    Hatao Laokan' ny Maroan'isa
    Asiana Ropatsa sy Taolam-pifiaka
    Ny Tongolo Gasy, Ny Sakay Masiaka
    Ny Hazo Midoroboka aza efa Azontsika
    Koa Inona indray no Andrasantsika?
    Hisotro Ronono mafana sa mangatsiaka:
    Ny Valisoa avy amin'ny Repoblika
    Satria Mendrika Tokoa Ny Asantsika
    Noho Ny Vavaka Vitantsika
    Isaorana Anie Andriamanintsika
    Noho Ny Fahasoavany; Ireto Isika
    Hiara Hivavaka Isika
    Hangataka Fitahiana Ny Firenentsika
    Hanao Ranom-bavaka Ho an'ny Taranantsika
    Taomina Avokoa izay mbola tsy mahita
    Hihaino sy Handre Ny Mpitory Litorzika
    Any Am-piangonantsika
    Mba Hiaraka Hita ary Hifankahita
    An' Andriamanitra Iray Ny Tontolo Hiainantsika

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    ALAHADY 1 MAY 2022
    Voalohany volana May androany
    Tratry ny fety ny asa maneran-tany
    Iza no hasandratra androany?
    Ireo Tsy niala ny sisin-tany
    Aza harahina sento mihintsy izany
    Tsy io no penitra ety an-tany
    Isika dia andevo ny tenantsika ihany
    Tsy hisy intsony ny hitomany
    Ho foana koa ny manontany
    Aiza re ilay : Ny paradisa an-tany
    Alahady andro fiangonana
    Tsy natao fanolanana
    Ry fitsarana Ô! Mila fanavaozana
    Ny kolikoly dia fandaozana
    Ilay velirano? Ilay Fahamarinana
    Be mpanara-maso, tokony hitandrina
    Tsy anareo irery Ny Nosy Masina
    Mitalaho mafy amin' Andriamanitra ho tafarina
    Ny kinga ratsy sy votsa saina havarina
    Omeo vahana ny fahalalàna sy ny marina
    Ho marihina manokana androany
    Ny tsy an'asa fikisa izany
    Ny hanina androany tadiavina androany
    Miaraka mifety ny asa hatrany
    Jereo ange ianareo velona Ihany
    Andriamanitra miaro Ny Ambany
    Ny fisainan'ny ao ambony lomorina hany
    Ka resinareo any am-paladia amin'ny tany
    "Io no Zava-dehibe ety ambonin'ny tany
    Mbola hihaona ny ambony sy ambany
    Tsy fahaizana mitantana foana
    No heno mandava-taona
    Angaha moa ny habadoana
    Mahay mahavita mamelôna
    Ny tenany, havany, be vôla
    Ny fanalahidim-panjakana efa foana
    Mba poblieo ny karama mandava-taona
    Ny manam-pahaizana maro mivoana
    Manao Asa tsy sahaza Ny Diplaoma
    Izao fatin'olona rehetra izao no politikan'ny doma
    Hivavaka isika maro An'isa
    Ry Malagasy an-tapitrisa
    Samy hanana asa sahaza, Matokisa
    Politika sy ny forongony hamisavisa
    Hiato ny resaka mampandry adrisa
    Ary hamorina Asa marobe Isa
    Tsy hadinontsika ny manao Batisa
    Indray mandeha Ihany fa Tsy 2 na 3 Isa
    Tsy asiana Baly na apéritifa
    Hiredona ny hira: Izahay natao Batisa

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Ralison Jeannette
    Ho ataoko sanatria
    Ny hanadino ry Maria
    Ilay Nosy be mpitia
    Misary tongotra ankavia
    Ny Atsinanana, Ny havia
    Rakotra ala, Zava-boahary
    Na eny amorom-parihy
    Ny tendrombohitra, Ny tanety
    Rotsirotsian'ny feom-baliha
    Ka mahasondriana ery
    Miala tsiny fa tsy afaka tonga
    Na dia iray minitra monja
    Mbola misy adidy mafonja
    Ny faravavy vao 20 taona monja
    Ny Malagasy iray rà, ny fo dia hontsa
    Ny fiainana lafo be, Loza
    Mangataka mafy amin'ny Tompo Soa
    Handray ny andraikitra avokoa
    Samy hifandray sy hitaky Ny Zò
    Ny sakafo no voalohany aloha
    Vavaka mangina no atolotra
    Hitakiana ny zo fototra
    Ry Malagasy tsivakivolo rehetra
    Adidy masina no filamatra
    Ny Firenena no hasandratra
    Efa tapitra ny fetra
    Fanaovana amboletra
    Fiatsaram-belatsihy hatsahatra
    Mba hampitony ilay ratra
    Ho "Velona sy mahery ny tenin Andriamanitra" FFPM 212
    Na iza hanaiky na iza handà
    Tsy nisy nahavita, ny vitan'i Rangahy
    Mijoroa, misehoa izay Mahasaky
    Milaza Fa diso ny teninakahy
    Iza moa izany? "DADA IHANY"
    Adidy masina ny fitondrana
    Fa tsy kilalao na fanambakana
    Aoka izay ny fanambaniana
    Ny Malagasinay Manana Hasina
    Hampanjakao ilay Fahamarinana
    Izay indray ny androany
    Sao misy manontany
    Nankaiza i nety tsisy tany
    Mitsingevangeva eny ampariteman ihany
    Izahay manofa tokotany
    Ambolena voatabia, ovy, voaloboka mamy
    Tsy hataonay mampitomany
    Misy hohanina ampy iray taona ihany
    Mahatsiaro ny vokatry ry Vony, Toa Dely
    Ry Raiko Ô! izaho aty mpivahiny FFPM 600

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Misaotra Aina Manjery
    17 Octobre 2022
    Hafatra manokana, iza no hijery?
    Ho an'ilay samirery
    Nihazona ahy irery
    Andriamanitra tokoa Mahery
    Fa raha tsy teo ianao, izaho very
    Izay ary ilay fangala-piery
    Ampahibemaso, tsy voatery
    No hanambarako anao irery
    Ny foko tsy manirery
    Ianao, nanasitrana ilay fery
    Lasa ianao efa ela be
    Fantatro anarana fa tsy tarehy
    Lovan-tsofina sisa no nandre
    Ny tantara fohy sy voafehy
    Ny sary tsy nisy, asa taiza re?
    Inona Indray no haroso ry Isé
    Ilay Tokana sy Lehibe
    Nampiray fo sy saina eh!
    Na tanety an'habakabaka na ranomasimbe
    Mandrakizay dia ho sambatra re!
    Iza moa no nanampo
    Ilay anjaratsika roa
    Fa voajanahary tokoa
    Toy ny lamban'akoho
    Fiadanan-tsaina, fiadanam-po
    Ny rariny sy ny To
    Raiso ho anao avokoa
    Izay rehetra akaikinao moa
    Tsy nisy nanadino aloha
    Na mafy na mora ny nanjo
    Andriamanitra no nanambatra
    Ny fihaonana voasandratra
    Ny marina dia sambatra
    Ianao no Fitaratra
    Tsy mba niala sasatra
    Ny soa no fianatra
    Ny fahamarinana no tarigetra
    Ny zava-drehetra dia voafetra
    Toy ireo mpanao amboletra
    Tsivalahara be herisetra
    Mivavaka izahay ho anao
    Marobe ao an-tanàna ao
    Na misy na tsy misy ny atao
    Na olombery na olombaovao
    Samy nahatsapa ny fitiavanao
    Ny nampalahelo anao, Avelao
    Reharehanay sy ny Malagasy ianao
    Manavanana ahy ny hira, ka atolotro anao
    Finaritra ny olonao ( FFPM 332 )
    Faly dia Faly izahay mpanomponao ( FFPM 539 )
    Misaotra an'Andriamanitra noho ny tombon'aina
    Tsy mavesatra intsony no zakaina
    Tsy hisy intsony ny hitaraina
    Efa tafara-dia ny tia sy ny tiana
    Ny hany sisa nampiferin'aina
    Ireo Nodimandry tsy mba nampitaina
    Tsy nahalala akory ny Fandresena
    Mba handre daholo ny miara-miaina
    Mifankatiava ihany raha mbola velon'aina
    Misaotra anao fa Tsy very ny saina

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    NY ANDRO PASKA
    Tonga Indray Ny andro Paska
    Miarahaba ny tenako tsisy Maska
    Hatrany Belo/Tsiribihina,Ambohijanaka
    Morarano,Ampanihy, Ny Sihanaka
    Ankalazana aiza? Ao an-tempoly ny taranaka
    Arahina feo hikiaka
    Mba fotsy manjopika
    Amin'ny endrika sariaka
    Tsy azo atao ny milofika
    Toy ny fakam-boninkazo potika
    Ndeha hitalaho hivavaka
    Ry Vahoaka mitsikaroka
    Ny masoandro mbola hiposaka
    Tano ny ranomaso tsy hirotsaka
    Andriamanitra no handrotsaka
    NY Tso-drano tratry Ny Paska
    Na hanarato na hiantafika
    Ety an-tany na an'habakabaka
    Eo antanan' Andriamanitra Mpanjaka
    Lalandava ny fiainana no apetraka
    Efa resy izao ny fasana
    Mifalia fa mitsangana
    Ny hatsiaka lasa hafanana
    Mivavaka mafy ho tafarina
    Ny Nosy malala gisitra laharana
    Avelao ilay mamarina
    Tombontsoa ny vahoaka harenina
    Miala izay tsy mahavanona
    Ny maizina ho resin'ny marina
    Satria Ny Tanindrazana dia Masina
    Any ho any ilay fihavanana
    Lavitra tsisy vahana
    Izany ilay fiainana
    Vavaka sisa hamaranana
    Dia ilay vavaka hiombonana
    Manerana ny tontolo hiainana
    Famenoana ny banga ny finoana
    Andriamanitra no fiadanana
    Andriamanitra no fifaliana
    Vita Izao NY Fandresena
    HALELOIA

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 6 років тому +2

    "Je Vous Aime Mes Enfants, Mes Petits- Enfants et Mes Arrière- petits- Enfants "
    "Ainsi que Toute Ma Famille" GROSSES BISES

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    NY DOKAM-BAROTRA
    Misaotra an'I Zanahary Tokoa
    Nanome an' i Madagasikara Soa
    Tsy Hatakalo, Tsy Hamidy Koa
    Fa An'ny Malagasy Avokoa
    Ndeha Hiroso Ramatoa Andriamatoa
    Hamisavisa Ny Zava-tsoa
    Fohanana aloha ny kobaka am-bava
    Tongava Daholo Mamboly Vary
    Dia Ho Foana Ny Mosary
    Samy Voky Hatramin'ny Kary
    Manome Hery Sady Mihary
    Ny Fanatanjahantena Tsy Fanary
    Na iza tsy faly,,na hamoy fo
    Na inona hiantra, na inona hanjo
    Hatrany Itasy, Fianarantsoa
    Any Sambirano na Iavoloha
    Ny Maintirano, Ambohipo
    Ny Tany Efa Antsika Avokoa
    Ny Taninanandrano, Ny Tanimbary
    Voatondraka Anana, tTsaramaso, Vary
    Ny Havoana, Ny Lemaka Ambohibary
    Feno Katsaka, Voanjobory, Fary
    I Dago Sarona Zava-Boahary
    Tojo Ny Tanjon' Ny Zanahary
    Ny Sahan' akondro, Ny Voahary
    Ny Voatabia Mahavita Lasary
    Ny Lavanilina: Lovan-Janahary
    Ao Ny Fofon'ny Vonimboasary
    Tarafin'ny Masoandro Be Nanahary
    Mihinana Tsara Sady Lavorary
    Ny Andriamanitra Ray Tsitoha
    Tahio Ny Malagasy Ho Iray Fo
    Ao Anaty Nosy Tsy Manam-paharoa
    Ho Vanona Avokoa Ary Hankato
    Ny Fahamarinana ô! Mandrosoa
    Ny Vahoaka Hahazo Valisoa
    Izao Tontolo Izao Mihelina Avokoa
    Ianao Ihany Andriamanitra Iray Tsitoha
    No Hiandrandranay Ny Loha
    Ho Foana Ny Mihoatra Ny Tamboho
    Hiredona Eran-tany: Ny Teny Masina Sy To
    Ny Tontolo Hiainana Anao Avokoa

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 Рік тому +2

    Ny Hirako Manokana
    08 May 2023
    Ny hira rehetra manerana ny tany
    Ny teny vahiny, tsy teny gasy ihany
    Teo ny tsiky, tao ny tomany
    Vita tantara ny fiainana an-tany
    Hita ny hirako, na mangidy na mamy
    Vita Sonia hatrany anaty vilany
    Inona intsony moa no hiraiko androany?
    Fisaorana atolotro tsy mety ho lany
    Izay misy ambara hanohy hatrany
    Avia Ô! Ry vazantany FFPM 16
    Ny fehezanteny nohariana
    Ny lahanteny maha mahavariana
    Mandrotsirotsy, Mahasondriana
    Ny inona indray ity faniriana?
    Andriamanitra ô! Ny Fihirana
    Tsy tsianjery mahaliana
    Fa mampita fifaliana
    Nampiray ny tia sy ny tiana
    Ny sofina nandre, ny vava nangina
    Endrey izany hafaliana FFPM 545
    Ny hira sy ny dihy
    Toy ny tsikirity tafaradia
    Tsy voatokana ho an'ny mpifankatia
    Mahasalama, mampanary dia
    Mandoro ny jabora, mampahiha
    Ny fanavakavahana volonkoditra fini
    Satria mampihodina ny économie
    Miala tsiny aho ry I Nanie
    Fa izany no fiainana aty
    Izaho mba te handre ilay "Fandalovana ety" FFPM 689
    Fara vodilanitra fara tazana
    Tany nihaviana Ny Tanindrazana
    Mankato Ny Razana
    Namela ny hira mamy, mazana
    Tsy azo avela, mampisara-bazana
    Misaotra an'Andriamanitra fitiavana
    Nahary ny tenin-drazana
    Ary ny ohabolan-drazana
    Tandrinesa feno hasambarana
    He be ny hasoavana FFPM 84
    Ny hira fahiny sy ankehitriny
    Ny nentim- paharazana, ny vahiny
    Ilay hira fivavahana tsy fohy iny
    Ilay Fiderana tao am-piangonana fahiny
    Mahatalanjona ny fitahiany
    Anisan'ny solika mameno ny siny
    Mikoriana toy ny rano madio tsisy tsiny
    Misaotra an'Andriamanitra sy ny fihariany
    Misaotra Ny Rehetra n'aiza n'aiza fihaviany
    Raiko ô! Izaho aty mpivahiny FFPM 600

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Ny Andriambavy lanitra
    Talata 08 Martsa 2022
    Ny Andriambavy lanitra arabaina
    Efa ela tato an-tsaina
    Tanteraka ny nantenaina
    Raha mbola velon'aina
    Ny soa sy tò no tsongaina
    Isika Mahay miaina
    Ny sakafo... Ny voamaina
    Ny zaitra...ny rehetra Ilaina
    Ny Manify, Ny Kibotaina
    Tsisy mihemotra, tsisy very saina
    Faha 8 ny Volana Martsa
    Ny Anivotany, Ny Eram-paritra
    Tratry ny fety, ny Asaramanitra
    Samy hanana fò finaritra
    Na dia mafy sy sarotra
    Nahalala nahay niaritra
    Ny Fahamarinana no namaritra
    Tsisy kajy, tsisy velam-pandrika
    Aoka ho an'Andriamanitra (ffpm461)
    Hitarika Ny lalana any an-danitra
    Taona 2 amby 2 polo Sy 2 arivo
    Fehezam-boninkazo 900 arivo
    Tokana ihany Areheto ny jiro
    Ny Mananotena ao Taolagnaro
    Ny Sahirana any Toliara
    Ny Maty vady ao Miandrarivo
    Torimaso lalina na marivo
    Ny hakiviana halaviro
    Vola Mitambatra Arivo
    Dia sakafo tsotra sy matsiro
    Tratry ny fety ry Vehivavy
    Hasandratra Ambony Ry Viavy
    NY tanana havia Ranabavy
    Ny tanana havanana Rahavavy
    Tsy anisany ny sarimbavy
    Omeo vola hamidy laoka matavy
    Ry ao ambony maro tavy
    Toa mifampizara volamena jiaby
    Ny Naoty Aotra(00) tsisy asa vita aby
    Isika Ihany no tena Favy
    Hivavaka isika tafahoana
    Mangataka Hery (Joba 17:9) manoloana
    Ny fiainana mandava-taona
    Anie ho Fahasoavana foana
    Hiato anie Ilay misaona
    Ndeha hifanampy, hifampitaona
    Na andro ririnina na lohataona
    Zò Ny Miteny, Tonga ny fotoana
    Tsy Misy intsony ny moana
    He Tonga Ny fiantsoana (ffpm 381)

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    ARAHABA TRATRY NY PASKA 2021
    Mandeha Ny Fotoana Rankizy amin'izao
    Inty Indray Aho hilaza vaovao
    Efa Hitako Izao Izay tokony Hatao
    Mba Tsiditsidiho, Mba Zarazarao
    Izay Tsy Manana abonémaao
    Ankamantatra indray no Handeha Hatao
    Iza ary inty raha fantatrao?
    Ny Volo Mainty ao an-tampindoha ao
    Manomboka Fotsy, Tsy misy hao
    Kivazivazy tsy mety Lao
    Hatramin'izay ka hatramin'izao
    Miampy sakay sy sakamalaho
    Mandra pahataratra an' Ambohibao
    Tsy Hay hadino Ny Hisaotra Anao
    Niventy Ny Hira Noforoninao
    Ny Maintimolaly Nanambara izao
    "Misaora an' I Zanahary" Ianao
    Tsy Voatanisa Ny Kalo Toy Izao
    Nanampy Avokoa na Fahiny na Vao
    Fisaorana Lehibe No Atolotra Anao
    Isaorantsika Ny Andriamanitra Avo
    Nitahy, Nanavotra na Ratra na Ravo
    Handeha Handohalika sy Hitalaho
    Ny Tanjona Iombanana:Ho Olom-baovao
    Ao amin'I Tompo Izao Tontolo izao

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Alahady 29 May 2022
    NY NENY Ô!
    Tonga Indray ny fetin'ny Reny
    Mbola ho antsika Viavy ? Eny
    Mifampiarahaba isika rehetra Neny
    Ary koa ho an'ny Tsy Reny
    Hatreny Maroantsetra, hatrany Ambato-Boeny
    Miala tsiny ry Ray aman-dreny
    Na Tsy anjarako aza ny miteny
    Mba raiso sy tsidiho ny vakinteny
    Ho fahatsiarovana ny taranaky Ny Reny
    Mandra-pahataratry ny faran-teny
    Andro fifaliana anio 29 May
    Na ranobe mangeniheny
    Na Ny Ony tsy miato ireny
    Ny Toby Farihimena
    Ny Masina Maria Reny
    Iray Ihany ny fototeny
    Vehivavy no kapiteny
    Antsika anio ny sehatra ry Neny
    Viavy Malagasy mijoro miteny
    Tsy maintsy mandresy ombieny ombieny
    Tratry ny fety Nenibe, Nenitoa
    Ao Avaradoha, Andranomanelatra, Ankororoha
    Indrindra isika sahirana tokoa
    Tsisy hatokona afa-tsy patsa sy ro
    Mirary fahombiazana , sy Soa
    Fiadanan-tsaina, Fiadanam-po
    Ho antsika rehetra Ramatoa
    Tsy toy ireo miseho Beloha
    Fiara time Efa ho lo
    No hany sisa anaty karandoha
    Mifandray avokoa ny tanana
    Samy ravo mifampihavana
    Ny Viavy tsy miravoravo tanana
    Tsiky dia ampy fahasoavana
    Ny Fahamarinana no Hasambarana
    Tsy mila mampiasa fonontanana
    Toy ny fanaon'ny mpanana
    I damedéféra manala baraka mahatsiravina
    Ny ambiny voky ny alahelon' Olombelona
    Fahaverezana? sa tsy fahombiazana
    Harahim-bavaka lalandava
    Ny fihaonantsika miavaka
    Misaotra Ny Viavy mpitory filazan-tsara
    Manerana an'i Madagasikara
    Tsotra, madio sy marina
    Haterinay anatrehanao Reny Masina
    Ny tombom-bavakay mitady Fitahiana
    Ary ny Vatsim-panahy mahaliana
    Saotra sy dera no homena (FFPM 329)
    Ny tontolo manontolo anie hahazo Famonjena.

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    NY KILONGA
    Tsy manavanana ny Hilaza
    Ny Teny haloaka ny vava
    Afa-tsy ny Mifanatri-tava
    Ara-penina aho Manazava
    Aza variana amin'ny aina manjery
    Tsy mety Amintsika izy ireny
    Tsy aleo ve Ny Fangala-piery?
    Izay Boka, Dia Manan-kery
    Sasao Hadio ny Tanana sy Tava
    Alohan' ny Sakafo: Karaoty, Manga...
    Mba handosiran'ny aretina lava
    Sao sendra patsa iray tsy homby vava
    Aza misangy amin'ny aretina ireny
    Tsy aleo ve misoroka toy izay very?
    Voasary Makirana sy Ny Tantely
    Ampahatsiarovy an'i Dada sy i Neny
    Na Antsinanana, na Mahajanga
    Ny Avaratra, Atsimo, Analamanga
    Dia Ho Resy Ny fahadalana
    Ary Handressy Ny Fahasalamana
    Ny Marobe, Ny Manirery
    Na Vakin-teny na Tsianjery
    "Ny Andriamanitra" Irery
    No Vavaka Ombieny Ombieny
    Ny Haizina Hazava
    Ny tafiodrivotra Hisava
    Ny Endrika Sariaka
    Hiadana isika KILONGA

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 5 років тому +2

    N'inon'inona Hitranga Jeso, Hapetrakay Lalandava Eo An-Tananao Ny Fiainanay

  • @JeannetteRalison
    @JeannetteRalison 6 місяців тому +1

    12/07/2024
    AMEN.

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +3

    NY TANANANAY
    Hatokako Anao Ny Lahateny Iray
    Hisaorako Lalandava Ny Tanananay
    Hialako Fondro Izay Tsy Maharay
    Ho Gasy Daholo na Izy na Izahay
    Tsy Vazivazy Inty na vazimboana
    Izao no Mba Haiko ka Hataoko foana
    Vao Dimy Andro, Niandoha Ny Fotoana
    Raha Misy Ny diso Fafao amin'ny Gôma
    Fitaovana misy, Ny sary Tsy iray
    Izaho ve no diso? sa Tsy mahay
    Tsy misy mandeha hatramin'izay
    Fa Izay Mitady, Ato Izahay
    Na Dokambarotra, na Tanana Iray
    Samy Tsy Misy Hanananay
    Inty re no Solon'ny Antsojay
    Izay indray Aloha Ry Rasoa sy Razay
    Fa Tapaka Ny Hevitro Handeha amin'izay
    Hifampitantana Rahatrizay
    Fisaorana Ho An' Andriamanitra Ray
    Izay Nanambatra Antsika Mandrakizay
    Na tsikera , na Dera, Handao amin'izay
    Hanoy Tonom-bavaka Ho Ranoiray

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 6 років тому +2

    Ny Fitiavanao ry Tompo no tena Nababo ny Foko
    Dera sy Laza no atolotray ho anao ry Ray
    Andriamanitra anie ho ao aminay Mandrakizay

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    NY TOHAN'AINA
    Mahasoa sy To Tokoa Ange
    Ary Mahafinaritra Be
    Ny Fitiavana Handre
    Ny Sakafo Anio Ry Ise
    Na Isekely, Ny Dadabe
    Baiko ve? Torohevitra Re
    Hotazana daholo Ny Ao an-tokotany
    Mividy raha sanatria tsisy Tany
    Eny Amin'ny Tantsaha Ihany
    Mora Vidy sady Mameno Vilany
    Haintsika Avokoa Izany
    Mampiasa Tadidy fotsiny ihany
    Misaotra Indrindra Ry Madamabe
    Voky Ny Ankizy...Ny Ramose
    Mandimandina hatramin'ny Tarehy
    Naharay Otrik'Aina Be dia Be
    Na Ny Bitro Jereo Ange
    Ny Malagasy Rehetra no Manjabe
    Isaorana Ny Tsiron"ny Tany
    Ao ny mangidy Ao ny mamy
    Toy Ny Mananasy, Ny Aferon-tany
    Mahasalama Daholo Izany
    Inona Aby Ireo Voankazo Mamy?
    Tsy Fantatro Kosa, Hainareo Ihany
    Ny Vavakay Ho An'ny Tsy mandre
    Hatahotra An' Andriamanitra Anie
    Ny Mpambotry Firenena, be rehareha
    Tokana Ihany Ny Mpanabe
    Andriamanitra Avo No Lehibe
    Ary Manjaka Eran-tany Re
    Hoy I Bessa; Aza Manao An'izany
    Tsy Hisy intsony ambony sy Ambany
    Tampina Tanteraka Ny Tamberintany
    Ny Kafe sotroina aza hatao be siramamy
    Ny Biby Fiompy ao An-tokotany
    Be Otrik'aina, Matsiro Ny Kaly
    Tahio Izahay Ry Ray Fitiavam-Be
    Ny Vahoaka Mitaraina Marobe
    Vonjeo! Vonjeo! Aza Lavina Re
    Samy Anisan'Ny Mpanomponao Ange
    Mandrakizay, Sambatra Re
    Azoko Ilay Fahasambarana Be ./.

  • @JeannetteRalison
    @JeannetteRalison 9 місяців тому

    🙏💟💪💐😇

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Ny Anarana
    Mankasitraka amin'ny anarana
    Manaja ny Razana
    Miala any ny zana-drazana
    Miseho, mijoro amin'ny anarana
    Tsisy fanampiny na notapahana
    Ny marina no Hasambarana
    Sahy miteny tsisy fananarana
    Masina Ny Tanindrazana
    Masina Ny Soratanana
    Masina Ny Anarana
    Andro voalohany ny fiainana
    Fety nitsingerenan'ny nahaterahana
    Sivy amby dimampolo ny 13Jiona
    Marobe ny volana Jiona, mirary fahasoavana
    Inona moa no dikan'ny tsy manana
    Miha antitra daholo ny Mahantra sy ny manana
    Tsiky fotsiny dia ampy fananana
    Miampy fahombiazana sy Fahanterana
    Miandrandra lalandava Ny Fivavahana
    Endrey izato fahasambarana (FFPM 126)
    Misaotra an'Andriamanitra iray tsitoha
    Misaotra ny maro nankatò
    Andriamanitra hanome Valisoa
    Ny mpamaky lahateny ny ramatoa
    Tokana ny tany, fa tsy mba roa
    Mety misy Ihany ny zava mahasoa
    Misaotra koa ho an'ny tsy afa-po
    Tsy raharahako mihintsy aloha
    Andeha hifanampy Ramatoa, Andriamatoa
    Hanandratra Ny Firenena Avokoa
    Fety ny fahaleovantena maina
    Fahatsiarovana sisa deraina
    Ho an'ny Maritiora namoy ny aina Hatrany fahagola, hatramin'ny izao miaina
    Inona moa no atao hoe fahaleovantegna
    Ny mpitondra fanjakana very saigna
    Ny Vahoaka very maina
    Leo ny mihinana vary maina
    Ry zareo voky sady malaina
    Isika Malagasy, Tongava saina
    Arahabaina Ny Tiko Madagasikara
    Tody amin'ny faha 20 taona soa amantsara
    Sahiko eto ny manambara
    Matoky Ny fitantananao i Madagasikara
    Marobe Ny Mpanara-dia ahy hifampizara
    Dada ihany no mahavita mikarakara
    Ny Tanintsika dia i Madagasikara
    Aza misalasala tsy mbola tara
    Mampiely ny sangan'asany Ralison J. sy ny tantara
    Miverena i Dada, te haneno ny farara
    Ho faranako amin'ny vavaka eto anio
    Toy ny mahazatra amin'ny fo madio
    Ry Rainay any an-danitra mba tahio
    Ny Firenenay mahantra mba ampio
    Hapetrakay eo am-pelatananao i Dada Io, tariho
    Hitondra, Hanafaka ny geja ao ka itafio
    Fahasalamana,hery sy saina madio
    Mandrakariva izy hazoto hiaro
    Ny hasin'ny Vahoaka, ny harena Malagasy ka fidio
    Sanatria izy tsy hitady dabilio
    FFPM 716 Ry Tompo ô mba tahio
    FFPM 618 Eny Raiko mba tahio
    Maria ô mba tantano ny dianay
    Zozefa be voninahitra./.

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    ARAHABA TRATRY NY ALATSINAINY NY PASKA
    Pejy Manokana ho an-dry Zalahy
    Hatao ahoana moa Ny handà
    Na hanadino Ry Dongalahy
    Maso Mibaliaka, Sofim-bazaha
    Iza moa izao Ny Vadin'ialahy?
    Malagasy ve sa Vazaha ?
    Tsy misy Olana izany Rangahy
    Ny Olombelona rehetra , Manana Rà
    Iza moa no Nandraharaha ?
    Ry I Rakoto na Ry Belahy
    Mody Mikalo amin'ny Teny Tsy Vazaha
    Kay Tena Mpihira Dadany Lahy
    Tsaroana tokoa ve Ry Izy Mirahalahy?
    Inona moa?, Ny Hafatr'Ingahy
    Mifankatiava Ihany Ry Mpirahalahy
    Na tety Andringitra, Na tetsy Sakaraha
    Ny Mpitarika Posy na Ny Mpandraharaha
    Na Filoham-pirenena, na Ny Tantsaha
    Hatrany Ambatolampy, na Ny Vazaha
    Ny Mpahandro, Dokotera, Fakitera ect...
    Fa Aza Be Eritreritra na be Ahiahy
    Amindry Rabôby sy i Rasaka indray
    Fa efa Voatambatara mandrakizay
    Amin'ny Andriamanitra Iray
    Hoderaina Hotsingaina eto Izay:
    Ny Ray aman-dreny Am-panahy
    Miaro, Miambina, ary Mihay
    Zanaka, Zandry Rahavavy, Rahalahy
    Misaotra Mitsaoka Mankato Izahay
    Noho Ny Fitiavana Ny Tanindrazanay
    Hiombom-bavaka Isika IzayTafaray
    Handray Sy Hisaotra An' Ilay Ray
    Hanandratra Ambony "Ilay Tanana Iray"
    Hihika Hoe "Ny Andriamanitra Iray"
    Dia Ho Anay Mandrakizay
    N'aiza n' aiza Hitoeranay
    Ny Tontolo Hiainanay efa Vita Iray

  • @JeannetteRalison
    @JeannetteRalison 6 місяців тому +1

    25/06/2024
    NY ANDRIANA
    Iza no atao hoe ANDRIANA** ?
    Izany hoe ny ANDRIANA fihaviana
    Mijoro lalandava noho ny fitahiana
    Tsy bé ankaso, azo itokiana
    Toy ny rano mikoriana
    Tsy manadino ny fitoriana
    Na fifaliana Na fahoriana
    Ny marina hatrany no faniriana
    Tsy lany fahoriana FFPM 551 And 3
    Endrey izany hafaliana FFPM 545 And 1
    Ho an'ny ANDRIANA** fianakaviana
    Samy ravo miharitina
    Hatramin'ny Tsodrano ny Rasoanindriana
    Nandrara ny hakiviana
    Andriamanitra handrinay fianakaviana
    Toy ny voahirana, benjamina
    Matory mitsangana tsisy fandriana
    Tsy misara mianakavy ihany no Dina
    Ny hazo fijaliana FFPM 103
    Tompo o! midi à FFPM 458 And 1/3/4
    Ny Ambatomanga Indray
    Fo feno haravoana ry Ray
    Indrindra Ny Tantsaha miray*****
    Mirary soa sy vavaka milay
    Tsy hatao ankilabay
    Toy Fianarantsoa**** tsy Salazamay
    Ka Na hanenjika, hiolomay
    Tsy ho Tonga Ora, Na andro iray
    Aza manadino anaty FFPM 617 And 1/2//3
    Misaotra Anao Izahay ry Ray FFPM 242 And 1/2/3/4
    Tsara va Tompoko O !
    Ry mpamelona ny foko
    Tsy tsangan'olona mpisoloko
    Tsy haingotrano hosodoko
    Tsy nisy mihintsy ny hadinoko
    Fa tena To sy Tokiko
    No hany sisa imasoko
    Nafonja sy natokako
    Ianao ry Ray no mibaiko FFPM 350 And 2
    Miambena izao ny fanahiko FFPM 648 And 4/5
    Ny fitiavana Tsy Politika
    Ny fivavahana Tsy fikafika
    Azo atao ny hira sy mozika
    Hatrany Asia Na Amerika
    N'iza n'iza tsy Faly : tsy miova Isika***
    "Fahamarinana"ihany no teny TSARA DIKA
    Tsy ilaina akory ny misioka
    Andriamanitra efa ao anatintsika
    Efa lasa ilay Mpanavotsika FFPM 147
    Isaorana anie Andriamanitsika FFPM 3
    Farany, Avelao any
    Ny lany henatra hitomany
    Miady seza sesilany
    Tsisy ambopo, ny saina Ambany
    Ny fiainantsika mitohy hatrany
    Sy ny lamba fitafy, ny lambahoany
    Mikarakara sakafo androany
    Raha misy manontany?
    Ilazao ! Zavatra iray ihany FFPM 667
    " Ny Fitiavana Tsy fizahantany"
    *****Ny valala mpiandry fasana ho trarantitra 💐
    ****Coucou Raprosy 👏
    *** Ny Hazo midoroboka 👍
    **Tsy mandohalika, Tsy misolelaka 🌟
    ianareo mpanao politika gasy tsy ilainay ny naoty: 00/20

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 2 роки тому +2

    Fety Ny Mahantra
    Noely, fetin'ny Zazakely, ny Ankizy
    Misaotra ry Neny, manjaitra Izy
    Aza mividy ny kiraron'ny celimasou Mpizy?
    Asandratra ny vita Malagasy Bizy!
    Isika efa zatra miaina amin'ny kirizy
    Tsy misy hataontsika mahakivy
    Rehefa maheno mozika dia mandihiza
    Ny fiainana tsy azo atao hambozizi
    Inona no hiafarana? krizy.
    (FFPM 246) Zazakely entinay mba hatao Batisa
    Ny matory eny an-dalambe
    Ny soa sy fahasalamana anie
    Hanafana ny Fo mamanala e!
    Andriamanitra no hitahy ny Marobe
    (ffpm 272) Faly izahay nandre
    Avelao ny be rehareha
    Milaza Fa manan-karena be
    Ary ahoana ny vôlan ny Olobe (CNAPS)
    Ny hazon-damosina efa Cassé
    Resintsika daholo ry Madama, Ramose
    Ho deraina manokana Ny Manan-kery
    Ny Viavy mpihary manabe irery
    Mahavita adidy ny taranaka tsy ho very
    Andriamanitra tsy mandao fa mijery
    Ao ambonin'ny loha fa tsy miery
    Fadiana ny mitsiriritra ny olombery
    Ireo mpanao politika be fery
    Ny vôla fihazin'izy Ireo irery
    Mendrika ny daka ry tsisy jery
    Efa hoe isika ihany no Mahery
    Vavaka fanaovam-beloma ny taona 2022
    Vavaka fiharabana ny taona 2023
    Atsimo, Avaratra, Antsinanana Antananarivo
    Tokana no faniriana Ry Ray be fiantra
    Miombom-bavaka ho an'ny Mahantra
    Osa farofy Salama ho tahian' Andriamanitra
    Izahay tsy manadino, ny Vavaka mihatra
    Herim-po, herin-tsaina, tanjaka no mpanavotra
    Ho antsika rehetra ny voninahitra
    Ho ventesina (ffpm205) Ny teninao rehetra
    Vavaka farany an'izao tontolo izao
    Mamely mafy ny loza mitatao
    Moa ve? Nisy tsy nety ny natao?
    Ity tany ity anie tsy kilalao
    Sa tonga ny vanim-potoana vaovao
    Raolombelona rehetra lasa olombaovao
    Lavitry ny ratsy, mpanao ankilabao
    Ndeha hanao Ny Marina ny vandy hialao
    Mitomany Ny Razana ao ambony ao
    Ranomasony anie hanondraka ny vokatra soa kalitao.

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison545 3 роки тому +2

    NY TANANA IRAY
    Ahoana Ilay Resaka Mivembena
    Sakafo, Ny Vavaka, Firenena
    Tsy misy baiko, Tsisy fanerena
    Sasa miandry Ny Fanekena
    Homena sa Tsy Homena?
    Ilay tanana iray Famonjena
    Indrisy, Tsy zatra miteny ny tena
    Mampalahelo sy Mahonena
    Aza mandositra fa Miverena
    Hanontanio Ny Mpivarokena?
    Fantany Toy Ny Vorivorikena
    Tsotra, Mahavoky Ny Tena
    Hanaiky sa Tsy Ekena?
    Ny Fiandrandrana Famonjena
    Tsy fandriam-pahalemana Hihena
    Esorina Daholo izay mahasorena
    Soloina "Fahamarinana" ny harena
    Handroso, Hiadana Ny Firenena
    Fadiana ny matoky tena
    Fidio Tsara Ny Mpisolotena
    Harodana Ny fahalemena
    Hajoro amin'izay Ny Fahendrena
    Kopakopak' i Maintso, Fotsy, Mena
    Tombotsoa An'Ny Vahoaka no Jerena
    Ny Andriamanitra Iray No Harena
    Ndaho Hitambatra Feno Fahendrena
    Samy Handray Ny Asam-pamonjena
    Ny Tombotsoa Iombonana Tsy azo hosena
    Ny Tontolo Hiainana efa Vita Fanekena