Haolo mantsy ilay tanana (Farantsa & Fobec / Barijaona)
Вставка
- Опубліковано 8 лют 2025
- Haolo mantsy ilay tanàna (Barijaona)
Haolo mantsy ilay tanàna
Toa kamboty very reny
Fa ny làlana nombàna
Efa lasa toy ny very
Haolo mantsy ilay tanàna
Tsy mba ray hanorotoro
Fa ny làlana tiako hombàna
Feno lomotra sy atsoro
Dada o! I Neniko iny
Izao mangina ankehitriny
Ilay akany tonga haolo
Miara-miondrika daholo
Izany rehetra izany
Raha dinihina tomany
Manambara fa ny tsiahy
Tsy mety maty toa fanahy
Manonja tanteraka ny fahatsiarovana. 😢😢😢
Tena tiako ilay fampiaraham-peo. Toraka izany koa ilay hira