GJMD : Aoka mba ho taom-pilaminana ny 2023.
Вставка
- Опубліковано 2 січ 2025
- Niarahaba nahatratra ny taona ny Malagasy rehetra sy ny mpikambana politika aminy ny filoha mpitarika ny antoko nasionaly GJMD (Groupe des Jeunes Malagasy pour la Democratie) Zama Mino. Nirary taom-pilaminana ho an’ny taona mifandimby ny tenany tamin’izany saingy nametraka kosa ireo tokony ataon’ny mpitondra ao anatin’ity taom-pifidianana ity. Nanao jery todika ny zava-nisy teo amin’ny rafi-pitondrana ny tenany, nidera ireo nety ary nametraka fanamarihana sy fanintsiana amin’ireo lesoka. Zava-dehibe ny hananana filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana hoy izy. Naome ny heviny ihany koa ny tenany manoloana ireo zava-nitranga ara-pinoana ny faran’ny herinandro teo amin’ny maha-mpitondra ara-drazana Ampanjakan’ny foko sakalava Maroambitsy sy mpandala ny fomba sy ny fady ara-drazana azy. Nametraka ny tsy mampifanalavitra ny fady sy ny fomba any amin’ny faritra sy ny eto anivon’ny nosy izy ary nanipika kosa fa tokony hifanaja amin’ny faritra sy ny fomba iseharan’ny tsirairay ny mpino rehetra.
Herizo Randrianjafy