Zoma,31 Janoary Fianarana fanampiny

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 7 лют 2025
  • Vakio ny PM, toko 28: "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay
    Izao no nosoratan'i Ellen G. White momba ny fahotan'ny Zanak Isiraely tamin'ny nanamboarany ilay ombilahy kely volamena: "Meloka tamin'ny fivadihana 'ilay Mpanjaka tamin'ilay nampanantenainy ekena sy arahina an-tsitrapo ny Isiraely. Tsy maintsy nofaizana ny mpamadika mba hampijoroana ny fitondram-panjakan Andriamanitra. Eto dia nampiseho ny indrafony tamin'ny fanomezana ny tsirairay avy hisafidy malalaka sy fotoana hibebahana Andriamanitra, nefa koa tsy nanimba ny fahefana ananan'ny lalána navoakany. Ireo izay nikiribiby tamin'ny fahotana nataony ihany no novonoina.
    "Nilaina mihitsy ny hamaizana io fandikan-dalåna io mba hanehoana amin'ny firenena manodidina azy ny tsy fankasitrahan'Andriamanitra ny fanompoan-tsampy. Ankoatra izany, raha niampanga ireo firenena nanodidina azy ny Zanak'Isiraely taty aoriana noho io heloka io, ary ireo kosa niampanga azy fa niankohoka nivavaka tamin'ny ombilahy kely tao Hôreba, dia ho tsaroany amin'ny alalan'io zava-niseho io ny anjara mahatsiravina nahazo ny mpandika lalana ary hanaporofo amin'izany fa tsy nankasitrahana akory na azo nalan-tsiny io heloka io.
    "Mifandanja tsara anefa na ny fitiavana na ny fahamarinana nenti-nanao ny famaizana tao Hôreba. (...) Noho ny famindrampony (famindrampon Andriamanitra) dia olona an'arivony no nofaizin'Andriamanitra, mba tsy hahavoatery Azy hamely olona an-tapitrisany aty aoriana. Olom-bitsy no nofaizina mba hamonjena ny maro."-PM, tt. 311,312.
    FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
    1. Araka ny hevitrao, nahoana no manahiran-tsaina ny maro ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Inona no manampy anao hahatakatra tsara izany?
    2. Inona ny olana mpitranga rehefa ny olona no manao valifaty, kanefa tsy mitranga velively rehefa Andriamanitra no mamaly?
    3. Ohatra maneho ny famindrampon'Andriamanitra koa ny famaizany ny Zanak'lsiraely taorian'ny nikomian'izy ireo ka nanamboarany ilay ombilahy kely volamena; amin'ny fomba ahoana? Inona koa ireo ohatra hafa ao amin'ny Soratra Masina, izay mampiseho fa na ny fitsaran Andriamanitra aza dia fanehoam-pitiavana?
    4. Na dia takatsika tsara aza fa ara-drariny ny fahatezeran'Andriamanitra manoloana ny faharatsiana, ary amim-pahamarinana tanteraka no anaovany fitsarana, nahoana no tsy azontsika atao ny manameloka ny hafa? Ifanakalozy hevitra ny amin'izany eo am-pandinihana manokana izay voalaza ao amin'ny 1 Kôr. 4:5.

КОМЕНТАРІ • 1