Matoky Anao - Tanora Kristiana Mpihira Antanety Fitahiana
Вставка
- Опубліковано 9 лют 2025
- Tonony: Georges Andriamanantena (Rado)
Boky “Voninkazo adaladala”, pejy 51
Feony: EMADISSON Daniel Herilala
Nihira: TKM Antanety Fitahiana
CD Audio “Matoky Anao” Janvier 2008
Isaorako Anao Izay nomenao ahy
Na masoandro vao na ali-mampanahy
Izay matoky Anao arovanao tanteraka
Tsy avelanao ho lao tsy avelanao ho reraka.
Firifiry moa ireo andro nifaliana
No tsapa tao tokoa fa mamy sady zina
Firifiry koa ireo andro nioriana
No tsapa tao am-po fa mando tsy makiana.
Raha matoky Anao, ny soa manjary fatratra
Ny tsara koa vao maika tena tonga lafatra
Raha matoky Anao, ny ratra mety sitrana
Ny ali-maizim-pito manjary feno kintana