Tantara Malagasy - FITIAVANA TSY MATY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 21 кві 2024
  • FITIAVANA TSY MATY
    Tantaran'i Radio Don Bosco
    Tantara indray miseho
    Tantara Malagasy
    Fianakaviana tsotra no misy an'i Vero sy Tina. Niady hevitra ny fomba hanatsarana ny fanabeazana ny zanak'izy ireo i Rasoa sy Randria. Nandresy lahatra an'iireo zanany roa vavy i Rasoa reniny mba tsy hanafina izay olana misy eo amin'ny fianan'izy ireo, na ny fandaharam-potoana any an-dakilasy fotsiny aza. 20 taona taty aoriana dia nifankahita indray i Tovo sy Rasoa izay vadin'i André. Mpinamana akaiky hatramin'ny mbola kely i André, Tovo ary i Rasoa. Nitamberina tsikelikely ny zava-nisy, indrindra ireo fiainam-pitiavana tamin'ny fahatanoràna satria nifankatia i Rasoa sy Tovo...
    I Ando na i Ratovoson dia nifanakaiky am-po kokoa tamin'ny Nivo na Lucie ilay atao hoe Rasoa, efa nisy fotoana nifampitory fitia, ary Faly zokin'i Nivo no vavolombelon'ny fifaneken'izy roa. Nandeha nandrato fianarana tany ivelany i Ando, ary izay no antony nisarahan'izy roa, taona vitsivitsy. Nanomboka tamin'io fotoana io no nanararaotra nandrehitra ny afom-pitiavany an'i Nivo i André. Niezaka nanome hafaliana an'i Nivo i André, nitohy hatrany ny fandehanana mijery horonan-tsary sy mitsangatsangana, nanaiky ny fiarahan'i André sy Nivo araka ny zava-nisy i Faly. Nitombo tsikelikely ny fifankatiavana nisy teo amin'i André sy i Nivo. Niteraka korontana teo amin'ny tokan-tranon'i André sy Nivo ny fahatongavan'i Tovo, 20 taona taty aoriana, izay narahana fanomezana hafahafa. Maty i André ary nihaona i Tovo sy Nivo, taty aoriana, nanazava ny anton'ny tsy nitohizan'ny fifandraisana teo amin'izy roa.
    Mpanoratra : Randriamampianina Harilala Léa -RHL
    Mpilalao : Rakoto, Faly, Synèse, Ony Mihajanirina, Sandrinà, Miora Fabienne, Hary
    Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
    Mpanatontosa : Holisoa
    #tantara
    #fitiavanatsymaty
    #sarymihetsika

КОМЕНТАРІ • 3

  • @elisearthemise6734
    @elisearthemise6734 3 місяці тому +1

    Efa hita ny tantara, tsy misy vaovao ka henona n'y misy misaotra tompoko nizara

  • @pamellamougin756
    @pamellamougin756 3 місяці тому

    Efa reko imbetsaka ity 😊 sady tena tiako be ❤❤ . Misaotra o 😊

  • @nessyrawns8405
    @nessyrawns8405 3 місяці тому

    Tiako ty tantara ty fa mbola miverina lmihaino