Hosana Ambohijatovo Fitiavana Tsy mendrika aho

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 10 лют 2025
  • TSY MENDRIKA AHO
    He ity izaho Tompo ô ! tianao na dia efa toy ny adala
    Izany aho nefa antsoinao hoe : zanaka malala
    Tena ontsa anaty fo(ontsa anaty fo)
    Mampilatsa-dranomaso koa
    Miondrika no atao, tsy mahajery Anao,
    Tompo o ! menatra aho
    Miasa anatiko any, feonao manontany, iza no irahiko
    Moa ity izaho ve mendrika handray ilay famindram-po
    Ny ati-fanahy henika, feno karazan-doto
    Tsy toy izay ny fihevitrao (Tsy toy izay IANAO)
    Fa natsotranao ny tananao
    Nanova, namindra , nanadio, nandrindra
    ‘zao fiainako izao
    Ka misaotra indrindra, fo feno hafaliana atolotro ANAO
    Ref:
    Tsy mendrika aho, tsy mendrika, lehibe ny otako
    Lehibe tsy mahate-hiherika, he tsy zakako
    Tsaroako IANAO voahombo teo
    Nibaby ireo entako ireo, misaotra ANAO, misaotra Anao
    Tsy mendrika aho nefa navotanao
    Tsy ho hadinoko Tompo ‘lay fanavotana aina
    Fa tena tianao aho
    Rehefa mody masoandro io na koa mifoha maraina e
    Manandra-tanana aho
    IANAO no antsoiko, tiako ho anilako eo
    Fanahy sy foko, indray manandra-peo
    IANAO no antsoiko, te hidera ANAO aho
    Fanahy sy foko, te hisaotra ANAO
    Soa IANAO JESOA fa teo, nahafoy, nanolotra aina
    Maro ireo karazam-peo, nanimba fo sy saina
    Ny feonao mbola hafa moa (Feonao hafa moa)
    Feom-pitiavana, mambabo fo
    Feo manome hery, tsy mamela irery raha sendra manjo
    Feo fanantenana, feo fahazavana, feo handreseko
    Antoko Mpihira HOSANA
    FJKM Ambohijatovo Fitiavana
    aut/comp: RAJAONARIVELO Germain

КОМЕНТАРІ •