Tetikasa harena voajanahary sy kijana mamokatra

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 24 жов 2024
  • Nitombo avo telo heny ny vokatra ronono ary nihatsara ny taranaky ny omby gasy tao amin’ny tangorom-bohitra (Massif) Itremo, Faritra Amoron’i Mania.
    Fahombiazana ny asan’ny Tetikasa « Harena voajanahary sy kijana mamokatra » izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy ary novatsian’ny DARWIM Initiative avy any Angletera vola tao amin’ny tangorom-bohitra (massif) Itremo, Faritra Amoron’i Mania nandritra ny 3 taona (2021-2024) niasany.
    Nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ireo mpisitraka ny asan’ny tetikasa izay niompana tamin’ny fanatsarana ny fiompiana omby gasy, ny fanatsarana ny fitantanana ny kijana toy ny tanety, ny bozaka izay nanaovana fikarohana manokana ho sakafon’ny biby fiompy indrindra fa ny omby ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
    Nitombo avo 3 heny ny famokarana ronono raha antsasa-litatra isan’andro izany teo aloha dia tafakatra 3 hatramin’ny 4 litatra ankehitriny. Nihatsara ny taranaky ny omby gasy sady matavy ary afaka miteraka isan-taona ireo ombivavy nohon’ny fahampian’ny sakafo vokatry ny fampiharan’ireo mpahazo tombontsoa ny teknika fambolena vilona eny amin’ny kijana toy ny fanaovana vilona maina, otri-bilona mandritra ny main-tany; azo antoka ny sakafon’ny omby. Manatanteraka ny paikady efa napetraky ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny amin’ny fanatsarana ny fiompiana omby izao ezaka izao ary mifanindran-dalana amin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA.
    Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpahazo tombontsoa miisa 30 mianadahy tao Amborompotsy, Distrikan’Ambatofinandrahana nohon’ ny fanatrehany ny fiofanana momban’ny fiompiana omby sy fitantanana ny kijana tafiditra ao anatiny ny fifehezana ny afo amin’ny doro-tanety.
    Tamin’izao fifaranan’ny tetikasa izao no namindrana ny fitantanana ny asa hoan’ny Fikambanana MIJORO izay hanohy ny ezaka efa vita teo aloha tao amin’ny tangorom-bohitra Itremo toy ny fanolorana ny omby miisa 10 sy ny toeram-piompiana modely.
    #MINAE
    #MEDD
    #kew
    #DarwinInitiative
    #FAPBM

КОМЕНТАРІ •