donak'afo LEVELO

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • Donak’afon’apombo
    Tsy mba nisy hafanana
    Izy nefa nandoro vantana tiana
    Handraisako anao
    Bitsibitsika teo
    Horokoroka, angoty
    Mamy kely ny antsika
    Tiana ny omaly
    Ho averina indray
    Ny lalantsika rahampitso
    Ngamba ho sarotra aleha
    Fandrika, hisy hanadala,
    Fitaka eny tsy miala
    Ny angaredon’ankaso
    Domy dia ho rava
    Hiaraka isika
    Fomba ataoko tsy miato
    Mikalokalo mangina
    Eo amoron’ny toko
    Iandrasana anao
    Raha sendra mba tsy eo
    Feon-jorery tomany
    Tsy hita anefa any ho any
    Ny ahy ny saiko tsy izany
    Lavitra anao mandefa vinany
    Hotantanako ianao
    Hitety ny onjan’ny tany
    Etsy ankino ny loha
    Miondakondana koa
    Rodorodon’amboa
    Tsy ahovoka firy
    Hiaraka isika

КОМЕНТАРІ • 27