Tononkira - Raha sitrakao Jesoa toneo ity fo tomany Torovandrovan-tsentosento sesilany Tsy miafina Aminao injao fa te hitroatra Handa ny tendrinao tsaroako ho mafy loatra Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroina Raha azonao atao mba satriko ho soloina Anefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao Ny sitrakao irery anie Jesoa ny atao Ny hany iangaviako Anao Jesoa malala Tolory hery aho mba tsy hisalasala Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalaho Sy ahaizako miatrika ady vaovao Anefa moa avy Aminao sa avy aiza Ity fiainana mangidy ity sakaiza Mba tendrinao sa valin'otako tokoa Fa toa manonjanonja efa tsy ho toa Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotako Manimba fo tsy mahasoa ka hialako Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izao Matoky aho fa Ianao Jesoa dia tsy mba mandao Tsy ahoako akory ny ho sambatra eto an-tany Raha toa ka tsirom-pahotana hatrany ihany Fa manodoka am-piandohana fa mafaitra Ny fiafarany ka mihatra vao manaitra
Tononkira -
Raha sitrakao Jesoa toneo ity fo tomany
Torovandrovan-tsentosento sesilany
Tsy miafina Aminao injao fa te hitroatra
Handa ny tendrinao tsaroako ho mafy loatra
Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroina
Raha azonao atao mba satriko ho soloina
Anefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao
Ny sitrakao irery anie Jesoa ny atao
Ny hany iangaviako Anao Jesoa malala
Tolory hery aho mba tsy hisalasala
Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalaho
Sy ahaizako miatrika ady vaovao
Anefa moa avy Aminao sa avy aiza
Ity fiainana mangidy ity sakaiza
Mba tendrinao sa valin'otako tokoa
Fa toa manonjanonja efa tsy ho toa
Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotako
Manimba fo tsy mahasoa ka hialako
Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izao
Matoky aho fa Ianao Jesoa dia tsy mba mandao
Tsy ahoako akory ny ho sambatra eto an-tany
Raha toa ka tsirom-pahotana hatrany ihany
Fa manodoka am-piandohana fa mafaitra
Ny fiafarany ka mihatra vao manaitra
Waaaaooow ❤❤❤ mankasitraka feno Tompoko fa tena mametsovetso any anaty mihitsy izy izany !!!!homba anareo anie Jesosy mahery ❤❤❤
Mankasitraka tpk, izay aho vao nahita ity version anakiray ity fa tena tsara ilay nandokoinareo azy, (Sao dia mba azo angatahina ilay accords nampiasaina tami'ny intro0) Misaotra tpk
Mahafatifaty be lay feo mikasoka kely sy lay angolam-peo!!!! satry foana hihaino azy!!! mankasitraka eeee
j'aime beaucoup, bonne continuation
Mankasitraka! ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra
Tsara be. Mampite hampiara peo aminareo
ndriii, tsara loatra
Mahafinaritra be ny mihaino azy.
A Dieu soit la gloire, merci pour ce magnifique partage 🙏
bravo be
😔🙏🏼🙏🏼
Misaotra e
Amen amen!!!
❤
😢❤❤
Amen🙏
❤❤❤ tsara be