Noël, Noël !.... Isan-taona dia injao ! Noël, Noël !.... Tsianjery no atao Noël, Noël !.... Tonta ve sa vaovao ? Noël, Noël !.... Efa mila tsy ho re ! Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe : Noël, Noël !.... Fiadanana anie ! Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao Hodian-tsy hita ve ireo mahantra marobe ? Izany no Noely ve ? Mamonjy tavan'andro ny mpihatsaravelatsihy Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary Fa rahampitso dia tohizana indray e ! Ilay fomba ratsy hatrizay Noël, Noël !.... Misafo vava, konjo kosa ireo kamboty Ray Fadiranovana hatrany, tsy misy mpandray Ny maso foana no apitrapitrany eo e ! Toa miantsoantso hoe : "Vonjeo !" 'Lay Famonjena nodradraina hatry ny elabe No azonay mba antenaina, rahoviana re ? Sa ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay e ! Fa tsy mba ondriny izahay Noël, Noël !.... Ankehitriny, fantatrao izay tokony hatao amin'ny rahalahinao Noël, Noël !.... Mba meteza ianao handre ! Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe : Noël, Noël !....
Marina loatra ny voalaza an'i Rado izay hiran'i Bessa ity. Aoka mba tsy ho raisina ho fanao fotsiny satria fiadanana no andrandraina. Misaotra e ! Tsara loatra.
Ny fotoana no mandeha fa ny fahamarinan'ny tononkira vao maika mitombona hatrany. Mampalahelo fa efa tsirairay sisa ny mba manoratra tononkira feno fanahy tahaka itony ankehitriny. Manomboka maty fanahy sy voagejan'ny herin'ny vola sy ny voninahitra ary ny fahavetavetana ny ankamaroan'ny Malagasy. Mampalahelo,....
Tsy mba ondriny ny Malagasy raha ny tena marina, fa miady, misisika ho ondriny na tsy izy aza, indrisy...any ka mivaralila izay tsy izy. Manao valalan'alika ka ny fombany sy finoany no hahilikiliny hanandratana ny an'ny hafa. aza misy gaga @zava mitranga
Jesosy tao amin'ny haren'ny voninahiny nidina teto amintsika hitondra ny fiadanany sy hanome antsika ny tena harena. Isika izay nandray izany dia tokony hijery ireo mahantra manodidina antsika (ireo mahantra ara-panahy sy ara-nofo).

NOEL, NOEL, isan-taona vao heno ity hira ity nefa tena mambabo fo tokoa ary miavaka satria mitondra hafatra hoan'ny olona rehetra. Hafa mihitsy Bessa e
Ankasitrahana tanteraka, na ny tonony, mampisaina, na ny firindran'ny mozika, mambabo!
Tsara e!
Tokony ampidirina any amin'ny Fihiràna fanampiny ity hiran'i Bessa ity hiraina any ampiangonana rehefa Noely.
Bessa: artiste engagé politiquement et religieusement! Misaotra nizara ry Dagotiako à!
Raha misy manana dia mba zarao ilay hiran'i Besa manao hoe:"Jesosy ô, mino zahay, fa tsy hanao zara vilana no nidinanao tety". Misaotra mialoha ééé!
NOEL NOEL Misaotra JESOSY, Misaotra an ' Bessa ary Misaotra ny nampiditra MISAOTRA E
Ndriii. Tena tsara ity hira ity 💝
Noely sambatra feno fiadanana. :-)
Ndrii ❤
Klasse, Bessa halt
Manamarika ny fahatanorako ity hira ity
driiii! ny faha zazanay!
mandona ny fo amam-panahy itony... izany ka tena mozika misy kanto ao anatiny
Marina loatra ny voalaza an'i Rado izay hiran'i Bessa ity. Aoka mba tsy ho raisina ho fanao fotsiny satria fiadanana no andrandraina. Misaotra e ! Tsara loatra.
Ny fotoana no mandeha fa ny fahamarinan'ny tononkira vao maika mitombona hatrany. Mampalahelo fa efa tsirairay sisa ny mba manoratra tononkira feno fanahy tahaka itony ankehitriny. Manomboka maty fanahy sy voagejan'ny herin'ny vola sy ny voninahitra ary ny fahavetavetana ny ankamaroan'ny Malagasy. Mampalahelo,....
Tsy mba ondriny ny Malagasy raha ny tena marina, fa miady, misisika ho ondriny na tsy izy aza, indrisy...any ka mivaralila izay tsy izy. Manao valalan'alika ka ny fombany sy finoany no hahilikiliny hanandratana ny an'ny hafa. aza misy gaga @zava mitranga
Ny amin'ny vanom-potoanan'ny Noely dia toa tsy noely raha tsy maheno an'ity hira iray ity aho. tena manamarika ny andro noely tokoa ity hira ity.
Marina mihintsy izany
😭😭😭
Milay👍
TENA TIAKO ITY HIRA ITY
Tianao ilay hira hoy ianao etsy ambany..nampiova anao ve nefa izany hira tianao izany?
Fa ahoana no ahafantaranao fa mila miova izy ? Raha efa manaraka ny Tompo izy dia mbola mila miova ve rehefa mahare an'izany hira tiany izany ?
tiako lotra
Ontsa foana aho isaky ny mihaino an'io hira io. Tsara é!
raha ny fitadidiko fony aho mbola nipetraka tany Madagascar 1970 ? io hira io ?? tsy misy fiovana ny fainana ao Madagascar ? kivy tanteraka
@@jeannotnarcisserazafitsala451