N'inona n'inona hitranga Jesoa - Fihirana 488

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 8 лют 2025
  • Na inona na inona hitranga Jesoa (Fob Frijo)
    1. Na inona na inona hitranga, Jeso!
    Na ny lanitra ho manga, Jeso!
    Na ho maloka mangina, Jeso!
    Dia ho feno fifaliana, Jeso!
    Fiv : Ny fotoana dia handalo, Jeso!
    Fa tsy hisy hampimalo, Jeso!
    Raha miorina ao am-poko, Jeso!
    Ilay fitiavanao inoako, Jeso!
    2. Raha jereko ny andro lasa, Jeso!
    Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jeso!
    Nefa Hianao, Ilay Mpampahery, Jeso!
    No nambomba sy nijery, Jeso!
    Ny fotoana, sns…
    3. Ny ho avy antenaiko, Jeso!
    Mbola ho fifalian’ny saiko, Jeso!
    Ny hasasarako hisava, Jeso!
    Ny harivako hazava, Jeso!
    Ny fotoana, sns…

КОМЕНТАРІ •