NOELIN’NY FANANTENANA de Henri Ratsimbazafy

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 13 кві 2020
  • Paroles:
    "Faly ravo ny tany aman- danitra
    Fa midera ny Tompo Jeso
    Dia ilay Zanak’ andriamanitra
    Nefa lasa Olombelona koa
    Mba hitady sy hamonjy ny very
    Ny mpanota toa ahy sy ianao
    Nefa Tompo Mpanjaka Mahery
    Koa derao ary ankalazao
    Aok’ isika tsy hisy hatahotra
    Ny fisalasalana fadio
    Dieny izao dia aza miahotra
    Manantona ny Tompo anio
    Noelin’ny fanantenana
    Noely fanavotana izao
    Ny gadran’ny ota vahana
    Olon’afaka izaho sy ianao
    Fa tsy misy na iray aza
    Raha mbola olombelona koa
    Na ireo lehibe na ny zaza

    Dia samy mpanota avokoa
    Nefa kosa ny famindra-pony
    Tena ampy dia ampy tokoa
    Fa tsy misy iray zay afoiny
    Raha mino ny Tompo Jeso
    Aok’ isika tsy hisy hatahotra
    Ny fisalasalana fadio
    Dieny izao dia aza miahotra
    Manantona ny Tompo anio
    Noelin’ny fanantenana
    Noely fanavotana izao
    Ny gadran’ny ota vahana
    Olon’afaka izaho sy ianao
    Dia tapaka hatreo ny tady
    Ny ota namatotra anao
    Fa ny Tompo no efa nitady
    Sy nanafaka antsika izao
    Tsy hitady ireo olo-marina
    No nodidinany mba ho ety

    Fa ny lavo izay te hiarina
    Ary koa ireo ondry mania
    Aok’ isika tsy hisy hatahotra
    Ny fisalasalana fadio
    Dieny izao dia aza miahotra
    Manantona ny Tompo anio
    Noelin’ny fanantenana
    Noely fanavotana izao
    Ny gadran’ny ota vahana
    Olon’afaka izaho sy ianao"
    Avec l'accord de l'artiste
    Henri Ratsimbazafy

КОМЕНТАРІ •