Misy fahefana ny vavaka arahina finoana (Marka11.15-33 - Pasteur Razafiarison Emilien)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 3 бер 2024
  • Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
    NY VAVAKA MANOVA ZAVATRA
    1. Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
    2. Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
    3. Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
    4. Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
    5. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny Anarako ianareo, dia hataoko izany.
    6. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny Anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo."
    7. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny Anarako na inona na inona.
    8. Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
    9. Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
    10. Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
    11. Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
    12. Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
    13. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
    14. Ary ho an'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
    15. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
    16. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy ?
    17. Indro, ny tanan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, Ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
    fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
    18. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra.
    19. Ny Mpanao ny sofina va tsy handre ? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita ?
    20. Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
    21. Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
    22. Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
    23. Fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
    24. Mivavaha, ka aza mitsahatra.
    25. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.
    26. Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany.
    27. Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany
    (1) Jeremia 33 : 3
    (2) Matio 7 : 7 - 8
    (3) Matio 21 : 22
    (4) Marka 11 : 24
    (5) Jaona 14 : 14
    (6) Jaona 16 : 24
    (7) Jaona 15 : 16
    (8) Jakoba 3 : 4
    (9) I Jaona 5 : 14
    (10) Matio 6 : 6
    (11) Matio 6 : 8
    (12) Matio 6 : 32
    (13) Matio 6 : 33
    (14) Efesiana 3 : 20
    (15) Jakoba 5 : 16
    (16) Lioka 18 : 7
    (17) Isaia 59 : 1 - 2
    (18) I Jaona 1 : 9
    (19) Salamo 94 : 9
    (20) Salamo 34 : 15
    (21) Salamo 65 : 2
    (22) Filipiana 4 : 6
    (23) Lioka 18 : 1
    (24) I Tesaloniana 5 : 17
    (25) Hebreo 4 : 16
    (26) Eksodosy 33 : 11
    (27) Jaona 15 : 7

КОМЕНТАРІ • 3