Mahaleo (Fafah) -EMBONA SY HANINA [ parole ] │by Lyrics Mada 2019
Вставка
- Опубліковано 7 лют 2025
- 👉 Pour ceux qui aime les romans, visiter cette chaîne UA-cam de livre audio en cliquant sur le lien : 🎁 bit.ly/3rSbIPg
🔥 S'abonner est gratuit, te prend 2s, et me rend heureux ! 🔥
Embona sy hanina,
Tsy hay mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo,
Madisadisan’alahelo.
Ny havoana tazanina,
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra.
Fa ny antsoko ny akony no mitampody
Mba nihiaka mafy anie aho fa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo.
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny saina no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any.
Alahelo sy toloko,
rehefa injay tsaroko
Fa noho ny hasomparan’ny tany ,
Izaho aty ianao lavitra any
Tsy azo hiadiana ny anjara,
’zay ngamba no noheveriny ho tsara
Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra.
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety mandifotra olona
Hipetraka haniry hamololona.
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Ny halavirana sy ny taona
Tsy hahasakana antsika tsy hihaona.
--------
"Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra, Ny aina marary, ny fo maratra"😔
hafa ihany ny feo n'i Fafah
Tsara be mihintsy ilay ira❤❤❤❤❤
Merci Fafa
Mars 2024 , mankafy foana ❤️🇲🇬🇲🇬
Njakatiana hafanana
Misaotra ❤❤❤
Hibanjyna anao any ho any alahalo sy toloky e
Izaho tsy ho sasatra ny ho tia
❤
❤❤❤❤❤❤❤❤