Ny Vola (RABENAIVO Charles) - Alatsinainy Bakaro -

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 1 сер 2010
  • Ny Vola RABENAIVO Charles Alatsinainy-bakaro, Madagasikara, Madagascar.
    / @alatsinainybakaro
    Rajaonarison Charles.
    Hita amin'ny fononon'ny Kapila nivoaka 1978 ny sarin'ny Rabenaivo Charles , ny zanany mirahavavy Saholy sy Landy ary mpihira 3 mirahavavy.
    Anisan'ny mpihira tao amin'ny tarika ny tovovavy tamin'ny fotoana : Vero, Bà, Elisoa ...taty aoriandriana ireo zanany telo mirahavavy Vola Landy, Noro, niampy ireo zafiny sy ireo tovovavy manantalenta maro avy eo antanana sy ny manodidina.
    Tao koa ireo mpanantantenta tovolahy avy eny Ambohidavenona sy avy eny atsimon'Alatsinainy Bakaro.Teo amin'ny zavamaneno dia teo ireo zanany lahy toa an'i Doda, Ndranto. Notohizan-dry Rado ...sy ireo solofo mpandimby rehetra taty aoriana.
    Ny trano voalohany amin'ny sary dia ny tranon'i Rabenaivo Charles ao antsinan-tsena (tsena teo aloha) Alatsinainy Bakaro.
    Atsipy ny tady ry lahy an-tandroky ny omby izy ireny
    Atsipy ny teny reroy antsain'ireo mahalala
    Tadiavo ny vola rahavako
    Fa izy no tena ilaina
    Fa na inon'inon-katao
    Ny vola no fototry ny aina
    Ny manam-bola raha maty
    Dia maro mpandevina
    Ny malahelo raha maty
    Sao areti-mifindra
    Raha velon'aina dia mahatsiaro anao ny olombelona
    Ny manambola dia sambatra e mandroso hatrany ny asany
    Ny tsy manam-bola tsy maintsy tsy maintsy manompo ny sasany
    Ny manam-bola e, raha mandeha
    Alaina sy aterina izy.
    Ny tsy manam-bola hankaiza mandeha an-tongotra eny ny ankizy.
    Tadiavo ny vola rahavako o samia re manao anjolofo
    Fa izy dia tena ilaina raha mbola nofo ny nofo.
    Ny manam-bola tazano
    Mitazana anie dia mividy
    Ny tsy manam-bola hankaiza
    Ny vazana re no mihidy
    Fa na mpivavaka ianao na mpanompo sampy
    Tsy maintsy mila an-dravola mba ho mpanampy
    Fa na inon'inon-katao tsy vita raha tsisy ny vola.
    Ny manam-bola indreny lasa manohy ny fianarany
    Ny tsy manam-bola hankaiza vita hatreo ny tantarany
    Ny manam-bola tazano
    Fa rotsirotsin'ny fiara
    Ny tsy manam-bola indrisy
    Mandeha an-tongotra eny ka tara
    Fa na mpivavaka ianao na mpanompo sampy
    Tsy maintsy mila an-dravola mba ho mpanampy
    Fa na inon'inon-katao tsy vita raha tsisy ny vola.
    Ny manam-bola indreny lasa manohy ny fianarany
    Ny tsy manam-bola hankaiza vita hatreo ny tantarany
    Ny manam-bola tazano e
    Fa rotsirotsin'ny fiara
    Ny tsy manam-bola indrisy
    Mandeha an-tongotra eny ka tara
    Ny sary mandravaka dia avy amin'ny M.Gerull nalaina tamin'ny fiandohan'ny taona 2000.

КОМЕНТАРІ • 21

  • @lantoniainaramarolahy3271
    @lantoniainaramarolahy3271 3 місяці тому +1

    J’aime l’original comme celle là

  • @user-ju1rr8jt6m
    @user-ju1rr8jt6m 4 місяці тому

    mahatsiaro anao ry Alatsinainy bakaro tanindrazako tsifoiko

  • @patrickelphinranaivoalinor75
    @patrickelphinranaivoalinor75 Рік тому +3

    Merci e

  • @rasoazanamananamartine262
    @rasoazanamananamartine262 Рік тому +2

    Souvenir de ma jeunesse

  • @maitrerandriamanjatorichar9626
    @maitrerandriamanjatorichar9626 8 років тому +2

    Mankasitraka e! Mahafinaritra ahy ity hira ity a. Tsara :)

  • @marieveroniquexxsteiner3392
    @marieveroniquexxsteiner3392 3 роки тому +2

    Efa ela be mihitsy no nitadiaviko izy hira ity... misaotra eee..!

  • @andriamihajarajaobelison7103
    @andriamihajarajaobelison7103 4 роки тому +2

    misaotra fa tena gasy .Hafa ihany ny hira gasy

    • @AlatsinainyBakaro
      @AlatsinainyBakaro  4 роки тому

      Gasy tokoa, ary sarin'ny tanana Alatsinainy Bakaro (authentiques) : tananan'i Rabenaivo Charles no nandravahana ny horonan-tsary

  • @randriaH
    @randriaH 7 років тому +2

    ahatsiarovana ireo efa nodimandry rehetra: nenibe Rasoarinelina tao Andasimbehivavy, dada sy mama, i nenifara Rasoavinandro,sns...

  • @mahatana_r
    @mahatana_r 4 роки тому +2

    Sary any amin'ny tanàna mihitsy izy izany ry AlatsinainyBakaro a. Sady ilay hira tonga typique antsika mihitsy.

    • @AlatsinainyBakaro
      @AlatsinainyBakaro  4 роки тому

      Ilay sary trano fotsifotsy avo misy rihana 3 (au premier plan) no tranon'i Rabenaivo Charles, sary nalaina tamin'ny taona 2002/2003 izy io , avy ety ampitan'ny arabe no nakana azy

  • @moonharmony9713
    @moonharmony9713 6 років тому +1

    Ndry! ahatsiarovako ny fahazazako mihintsy io hira io. Misaotra e

  • @rapanoela
    @rapanoela 13 років тому +2

    misaotra e

  • @randriaH
    @randriaH 9 років тому +2

    Misaotra e. Mahatsiaro ny any aminay any. Antanifotsy, Ambatomiady, Bakaro sns ...