Na i Pelagie, na i mamitiana Dia samy vehivavy, tena mahavariana Eny samy kanto , eny samy soa Ny momba azy ireo, voatantara avokoa Fa i Dongadonga zanak’Ingahy Rafatra Sady ngozabe izy no sady koa be tratra Tsy misy tarehy, tsy volony fa taviny Izy ngozabe fa kozatra ny vadiny F’ireo olona voalazako ireo Dia inoako fa tsy fantatrareo Fa izaho mahalala azy tsara Marin’izany matoa aho mitantara Olon-kafa indray izao no tiako hotenenina Dia tsy iza izany fa Ramadalenina Izy io indray tia karazan-dahy Ka tsy nahagaga raha niteraka vazaha Ilay tena kanto, ilay mahavita azy Ilay tiako indrindra Ikala Françoise fa ny tsy tiako, tsy tiako amin’ny toetrany Dia ity izaho napetrapetrany Ankehitriny izy indray no misisika Nefa izaho tsy dia marisika Fa satria voasoloko izy Nosoloiko an’i Madama Edvizy Asa izany na marina Asa izany na tsy marina Mbola sarom-patarina Dia mitohy indray mitohy ny tantara Ka olon-kafa indray izao no tiana ambara Ravaomaria ilay natsaka rano Hatramin’izao tsy nody tato an-trano Fa mba nankaiza e, nankaiza tokoa Hay nivaro-tena niaraka tamin’i Volasoa Vehivavy adala tena midi-kizo Voarebirebin’i Dadan’i Lemizo Fa ireo olona voalazako ireo Dia inoako fa fantatrareo Satria hiraindry zalahy Marina izany, anontanio i Benoit Saika adino, ilay Dadafara Ilay tsy eo intsony Said Omar Izy io ilay vadin’i Mamalenina Dia ilay vehivavy natao sezarenina
Na i Pelagie, na i mamitiana
Dia samy vehivavy, tena mahavariana
Eny samy kanto , eny samy soa
Ny momba azy ireo, voatantara avokoa
Fa i Dongadonga zanak’Ingahy Rafatra
Sady ngozabe izy no sady koa be tratra
Tsy misy tarehy, tsy volony fa taviny
Izy ngozabe fa kozatra ny vadiny
F’ireo olona voalazako ireo
Dia inoako fa tsy fantatrareo
Fa izaho mahalala azy tsara
Marin’izany matoa aho mitantara
Olon-kafa indray izao no tiako hotenenina
Dia tsy iza izany fa Ramadalenina
Izy io indray tia karazan-dahy
Ka tsy nahagaga raha niteraka vazaha
Ilay tena kanto, ilay mahavita azy
Ilay tiako indrindra Ikala Françoise
fa ny tsy tiako, tsy tiako amin’ny toetrany
Dia ity izaho napetrapetrany
Ankehitriny izy indray no misisika
Nefa izaho tsy dia marisika
Fa satria voasoloko izy
Nosoloiko an’i Madama Edvizy
Asa izany na marina
Asa izany na tsy marina
Mbola sarom-patarina
Dia mitohy indray mitohy ny tantara
Ka olon-kafa indray izao no tiana ambara
Ravaomaria ilay natsaka rano
Hatramin’izao tsy nody tato an-trano
Fa mba nankaiza e, nankaiza tokoa
Hay nivaro-tena niaraka tamin’i Volasoa
Vehivavy adala tena midi-kizo
Voarebirebin’i Dadan’i Lemizo
Fa ireo olona voalazako ireo
Dia inoako fa fantatrareo
Satria hiraindry zalahy
Marina izany, anontanio i Benoit
Saika adino, ilay Dadafara
Ilay tsy eo intsony Said Omar
Izy io ilay vadin’i Mamalenina
Dia ilay vehivavy natao sezarenina
Jeneraly tsy misy mahadimby e !
tsara ka, mba tiany ilay hira dia mb nataony tsy misy maha ratsy azy
ho antsika rehetra mipetraka analamahitsy sy manodidina,zany ka hira
Mba mamoroana hira ry ngama fa aza mangalatra ny anay e.
ny tarika Jeneraly sy Black Jack no spectacle nojereko voalohany tao ANTSAHAMANITRA
Tsy azoko, sarin'i Jeneraly no atao eo nefa interprétation n'i Mahery ny feo. Sady ratsy be. Misy tena feon'i Jeneraly any fa atao inona ko io.
hafa ihany ny tena tompony euh
Jeneraly ve mbola velona?
Milay leis Mahery
ZAY FEON JENERALY ZAY MITSY ANDRASANA ANY AMNAREO .
bandy tena ankafizoko izy, efa nentiny bainay izahay nijery azy fony fahavelony
Mamoroana hira raha mahavita fa aza mangalatra sy mihira ny an i jeneraly e.