Ampifitia - Ampy izay (+Tononkira)

Поділитися
Вставка
  • Опубліковано 20 вер 2024
  • - | TONONKIRA |-
    Vady tiako ianao, nivoadiko tamin-dRay
    Olon-droa nofo iray Izaho sy ianao
    Roapolo taona izay
    Fiainantsika raha lazaina dia misy ‘zay ilaina
    Fa ny mampanahy mampatahotra ahy
    Dia ny fiainantsika mianakavy ara-panahy
    Ampy izay vita, ny andro lasantsika
    Nanao tsy fanao, ‘zay fomba jentilisa
    Ka nandehanana, tamin’ny hajejoana
    Ny fanirian-dratsy, toaka, loka, vola
    Rehaka manodoka
    Nampisaraka antsika amin’ny Ray Andriamanitra
    Ampy izay, aoka
    ‘Reo fomba fady, mifampindram-bady
    Haingo mihavaka, fitafy mampitanjaka
    Vola maloto, harena maloto
    Afointsik’avokoa
    fa loza amin’atambo, tsy mba nitondra soa
    Fa nanalavitra antsika
    Amin’ilay Ray Tsitoha
    Ka aoka ‘zay, ampy koa
    Zanantsika, mianadahy
    Miha-maditra, sahisahy
    Ny fianarany, dia mihemotra
    Ny fitafiny, fiteniny, mahamenatra
    Fady ireo, ‘zay hivavaka
    Raha hiangona, kilavaka
    Asa loatra, izay hiseho
    Sy hihafaran’ireo ankizy zanantsik’reo
    Tsy mahagaga ireo raha tsy dia mankaiza
    Isika lehibe, no tsy nahay nitaiza
    Ka ampy izay, ny baranahiny
    Ny fomba sy toetrantsika
    Tsy nahomby, anio ny farany !
    Fa manjary leson-dratsy
    Hianaran’ireo zanantsika.
    Ampy izay, vita !
    Ho anao vadiko, ‘zao no tadidio
    ‘Reo fitafy hafahafa, dory na ario
    Ny fahazarantsika, mandeha mandihy
    Mamonjy cabaret, na bal amina cluba
    Sy boîty de nuit
    Ireo karazana party, sy invitations…,
    Non ! Ampy izay, ampy .
    Ampy izay Ramatoa, ka andao re hiova fo
    Rendrarendra, filibàna, zava-poana
    Tsy mahasoa, ‘ndeh hialàna
    Ratsy vita, dia hifonana
    Lalan-danitra, no hizorana
    Andriamanitra no tompoina
    I Jesô Tompo, no ekena sy henoina
    ‘Sika efa-mianaka hanatona amin’izay
    Hisoratra anarana, hiomana ho Mpandray
    Tena hibebaka, hiala amin’ny ratsy
    [Hanao ezak' ho mpanompo
    Mahatoky, an’Andrimanitra
    Ho olom-baovao tokoa ankohonan’ i Jesoa
    Ampy_izay , ny taloha ] x 2

КОМЕНТАРІ • 10